Vous êtes ici :

Mardi 07 Mai 2024

ombre

Oniversite Toamasina – Feno 30 taona ny sampana Haisoratra sy siansa maha olona

Nanomboka ny talata 24 novambra ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny sampana Haisoratra sy ny siansa maha olona eo anivon’ny Oniversite Toamasina, izay niforona tamin’ny taona 1985. Notanterahana tao  Barikadimy, any Toamasina ny lanonam-panokafana izay haharitra efatra andro. Vory lanona nanome voninahitra izany lanonana izany ireo sojabe nanangana ny sampana Haisoratra sy siansa maha olona  toy ny Profesora Latsaka Abraham, Razafindehibe Etienne sy ireo  maro hafa.  Tonga nanatrika izany ihany koa ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony izay nisolontena ny

minisitra, sojabe amin’izao fotoana izao, ary ireo mpampianatra sy mpandraharaha eo anivon’ny Oniversite.

Notokanana nandritra ity lanonam-panofakana ity ny birao navaozina ho an’ny sampana Haisoratra sy siansa maha olona, entina hanamarihana ny fankalazana. Birao izay ahitana fitaovana manaraka ny toe-trandro eo amin’ny fikarohana, ahitana solosaina misy aterineto.
Nandritra io fotoana io koa no nanoloran’ny ministeran’ny Fampianarana ambony solosaina miisa 8 sy « vidéoprojecteur »  miisa 3 ho an’ny fiadidiana ny Oniversiten’i Toamasina.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre