Lozam-pifamoivoizana – Tovolahy 16 taona maty tsy tra-drano
Tovolahy iray 16 taona no maty tsy tra-drano tamin’ny lozam-pifamoivoizana niseho tany Farafangana ny alahady teo, amin’ny lalana hihazo an’i Manakara. Fiara tsy mataho-dalana nifatratra teny amin’ny vodin-kininina noho ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Tsy nahatana ny familiana ilay nitondra izany ka niafara teny amin’ny vodihazo. Olona roa izy ireo no tao anatin’izany fiara 4×4 izany fa ny iray mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly any an-toerana. Ahiana mafy ihany koa ny toe-pahasalaman’ity farany satria hatramin’izao hanoratana izao dia mbola ao anaty “torimaso lalina” izy noho ny dona mafy nahazo azy. Marihina fa zanaky ny lehiben’ny faritra any toerana teo aloha io tovolahy namoy ny ainy io.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







