Vous êtes ici :

Vendredi 03 Mai 2024

ombre

Didy – Rava ny tambajotran-dahalo

Rava ny tambajotran-dahalo izay nampikaikaika ny mponina tany amin’ny kaominina Didy hatramin’izay. Lavon’ny balan’ny zandary nandritra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta mantsy ny lehiben’ireo dahalo ireo vao tsy ela izay.

Nisy fanafihana niseho tao amin’ny tanàna kely iray atao hoe Morafeno, ny fiandohan’ity volana   novambra ity, no niantombohan’ny tantara. Olona 4 nirongo basy no voalaza fa nandroba omby miisa 20 tamin’izany fa navotsotr’izy ireo teny an-dalana ny sasany ary omby vositra lehibe roa ihany no nentiny ka nasitrika tao Ilakana, izay kizo fieren’izy ireo.

Nisy fokonolona anefa nahita izany ka nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana. Tamin’izay fotoana izay indrindra anefa dia nisy tamin’ireo dahalo no nihaodihaody teo an-tanàna, namorona paik’ady vaovao hanafihana indray angamba ka nosamborin’ny fokonolona avy hatrany.  Nidina teny an-toerana ireo zandary avy eo nitondra ilay olon-dratsy natao famotorana. Nandritra ny fanadihadiana no nilazany ny toerana misy ireo namany ka niverina nihazo an’i Didy izy ireo hisambotra ireo olona ireo.

Nanapoaka basy avy hatrany ireo dahalo vao nahatazana ireo zandary niaraka tamin’ny namany avy teny lavitra ary nikasa hanavotra ity farany satria izy no voalaza ho lehiben’ny dahalo tany an-toerana.

Raikitra ny fifanjevoana ary niezaka ny nandositra ilay raiben’ny dahalo saingy notifirin’ny zandary.

 Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre