Vous êtes ici :

Dimanche 19 Mai 2024

ombre

Dr Eric Andrianasolo – « Adidy ny manentana amin’ny vaksiny »

Maro ireo tsaho mandeha momba ny vaksiny iadiana amin’ny “poliomyélite” ka mampisalasala ireo ray aman-dreny ny mitondra ny zanany hanao vaksiny. Mitondra ny fanazavana ny Dr Eric Andrianasolo, filohan’ny Holafitry ny dokotera : « Ny firongatry ny aretina poliomyélite teto Madagasikara no nanapahana hevitra ny hanaovana vaksiny faobe ny zaza rehetra latsaky ny 15 taona. Raha vita vaksiny daholo mantsy ny zaza dia tsy misy atahorana intsony ny hisian’ io aretina io eto amintsika. Entina hiarovana ny taranaka faramandimby izany ny vaksiny ary io sy ny fahadiovana no  fiadiana tsara indrindra amin’ireo aretina rehetra izay azo sorohina aminy vaksiny. Soa aza fa misy vaksiny ny “poliomyélite” ka manana adidy isika rehetra hifanentana amin’izany. Tsara ho fantatra koa fa ny famerenana ny vaksiny dia mampitombo ny hery fiarovana ao amin’ny zaza. Koa manao antso avo aminy olom-pirenena, ireo mpitsabo rehetra ary ny ray aman-dreny rehetra ny Holafitry ny dokotera mba hiara-hanentana amin’ny fanaovana vaksiny ny zaza ho fiarovana ny taranaka. Aleo tokoa mantsy misoroko toy izay mitsabo hoy ny ohabolantsika. »

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre