Vous êtes ici :

Vendredi 17 Mai 2024

ombre

Lauret Rajaona Thierry – « Tsy misy polisy na mpitsara atao fanadihadiana izany »

Nanantanteraka valan-dresaka ho an’ ny mpanao gazetin’i Toamasina tao amin’ny birao fiasany i Lauret Rajaona Thierry, Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany, omaly 25 novambra, mahakasika ny resaka miely fa misy polisy sy mpitsara miray tendro manodidina ilay fakana an-keriny zaza mianadahy izay nitranga ny alatsinainy teo tany an-toerana. Fotoana izay nitondrany fanazavana fa efa misy olona ahiahiana, tafiditra amin’io raharaha io, efa voasambotra ary atao fanadihadiana amin’izao fotoana izao. Nomarihin’ny tonia mpampanoa lalàna kosa fa tsy misy polisy na mpitsara atao fanadihadiana izany amin’ity raharaha ity. Nolazainy fa “fanosoram-potaka ny mpitsara sy ny mpitandro filaminana” io resabe miely io.

Raha tsiahivina dia handeha hianatra ireo ankizy roa mianadahy ireo, izay zanak’olona manan-katao avy any Maroantsetra no notafihin’ny olona 4 mirahalahy mitondra fitaovam-piadiana ny fiara tsy mataho-dalana nitondra azy ireo, ny alatsinainy maraina lasa teo, manakaiky ny tetezana Verrerie, any Toamasina. Nosongonan’ny kamiao kely iray ary notsivalanany teo afovoan’ny arabe ilay 4×4 ka tsy afaka nandroso intsony ka tsy maintsy nijanona. Nivoaka ireo mpaka an-keriny ary avy hatrany dia nanambana basy sy nandrahona hitifitra raha tsy mivoaka ny fiara sy manaraka azy ireo ankizy. Natahotra ireto farany ka nanaiky mora ny baiko nomena azy. Fantatra taorian’izay fa vola mitentina 4 tapitrisa “euros” no takian’ireo mpaka an-keriny amin’ny fianakavian’ireo zaza roa ireo.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre