Vous êtes ici :

Jeudi 02 Mai 2024

ombre

Toamasina – Lasan’ny mpanampy ny entana sarobidy rehetra

Vao roa herinandro monja no nahatongavan’ilay ankizilahy 16 taona, avy aty an-drenivohitra, hiasa an-trano sy hanampy amin’ny fikarakarana hotely, tao amin’ny tokantrano iray ao Andranomadio 11/41 carreau D, any Toamasina dia najifa avokoa ny entana sarobidy rehetra, ny talata lasa teo. Mody nanao marary izy telo andro talohan’io ka voatery najanona irery tao an-trano, araka ny fitantaran’ny lasibatra. Hay paik’ady efa nomanina ahafahana mangalatra ireo entana tao an-trano.

Dila ny talata 24 novambra dia tsy hita ihany koa ilay mpiasa an-trano niaraka amin’ireo entana sarobidy. Mora taminy rahateo ny namoaka ireo fitaovana ireo noho ilay tranon’ny mpampiasa azy somary mitokatokana. Efa tamin’ny fanjavonany no vao tonga saina ny tompon-trano fa mody nanao marary ilay tovolahy nandritra ny telo andro izay nijanonany tao an-trano irery izay.

Mbola tsy hita kosa ny toerana misy azy hatramin’izao.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre