Vous êtes ici :

Dimanche 05 Mai 2024

ombre

Hetsika “limitrophe” – Dahalo 10 voasambotra, omby 105 nogiazana

Nahitam-bokany ny hetsika “limitrophe” izay ataon’ny zandary any Ambilobe amin’ ny famongorana ny asan-dahalo, indrindra amin’ny halatra omby. Tao anatin’ny tapa-bolana mahery nisian’ny hetsika, izay nanaovana savahao ireo faritra mampisaraka ny distrikan’Ambilobe sy Vohémar dia dahalo 10 indray no voasambotra ny talata lasa teo, tany Ankaramy, ary omby zato mahery no nogiazana. Mbola nahitana basy vita gasy sy fitaovana hafa ihany teny amin’ny iray tamin’ireo jiolahy izay entina manao ny asa ratsy. Fantatra fa tao Ankaramy no tena nampihorohoroan’ny dahalo matetika izay nahasamborana azy ireo tao an-toerana niaraka tamin’ireo omby tsy nisy taratasy ireo. Saika niharan’ny fitsaraham-bahoaka noho izany ny roa tamin’ireo dahalo raha vao fantatry ny fisamborana ireo olon-dratsy nampitondra faisana azy ireo hatrizay. Tafaporitsaka ry zareo ary nifanenjahana hatrany Ankatoko. Ho atolotra ny fampanoavana any Antsiranana tsy ho ela izy 10 mirahalahy voasambotra ireo.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre