Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Sinto-mahery – Telo lahy tsy ampy taona nigadra any Toamasina

Tovolahy miisa 3 vao 16 taona sy 15 taona no nadoboky ny fitsarana ao Ambalatavoahangy, any Toamasina, noho ny raharaha sinto-mahery tany an-toerana. Ny mpandalo eo amin’ny Epp « La foire » no lasibatr’izy ireo ny harivan’ny alahady 22 novambara lasa teo, ka najifa tamin’izany ny vola sy ny finday an’ireo olona ireo. Noho ny ezaky ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana anefa dia voasambotra ny androtr’io ihany ny iray tamin’izy ireo. Taorian’ny famotorana natao an’ity mpanendaka ity no nanorony ireo namany mpiray tsikombakomba aminy ka niakatra fitsarana avy hatrany izy ary nampidirina am-ponja vonjimaika avy eo. Tsy nijanona teo anefa fa nitohy ny fikarohana nataon’ny polisy ireo namany ireo ka sarona ny andron’ny alarobia teo ireo roa lahy ka natolotra ny mpitsara mpanao famotorana ihany koa ary niditra ao am-ponjan’Ambalatavoahangy.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre