Vous êtes ici :

Lundi 20 Mai 2024

ombre

Sambava – Rangahy iray hita faty teny amoron-dalana

Lehilahy lehibe iray, manodidina ny 50 taona any ho any, no hita faty nivalampatra teo amoron’ny arabe, tao amin’ny tanànan’Antohomaro, 7 kilometatra tsy hidirana ny tanànan’i Sambava raha avy any Antalaha. Ny alarobia 25 novambra, tamin’ny 2 ora tolankandro no nitrangan’ izany toe-javatra izany. Mbola tsy fantatra hatreto ny

antony nahafaty ity lehilahy ity. Ny olona nahita ny razana sy teo amin’ny manodidina ihany koa nilaza fa tsy mahafantatra azy velively. Ny fahitana dia maty ity maty noho ny hanoanana.

Nampandre ny tompon’ andraikitra avy hatrany ireo olona tao amin’ny fokontany Antohomaro ka nidina teny ny sefo fokontany nijery ifotony izany. Araka ny fanambarany ny androtr’io alarobia io dia tsy maintsy handray andraikitra amin’ny fandevenana ny razana izy ireo raha tsy miseho ny fianakavian’ny maty ny alakamisy. Hatramin’ny omaly tamin’ny 3 ora tolakandro anefa tsy nisy olona tonga tao amin’ny biraon’ny fokontany nilaza fa very havana. Na mpitandro filaminana, na mpitsabo ihany koa tsy nisy tonga nijery ny razana na efa nampandrenesana aza ka voatery nalevin’ny fokonolona ny razana.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre