Vous êtes ici :

Vendredi 10 Mai 2024

ombre

Mahajanga – Latsaky ny 30% ny tokantrano mampiasa kabone

“Tsy maintsy hiparitaka eny amin’ny sakafo amin’ny alàlan’ny rivotra sy ny biby kely antsoina hoe Komitin’ny fitaterana ny tay na Kofita ny tay raha tsy voagadra anatin’ny toerana iray”, raha ny fanambaran’ny talem-paritry ny Rano tao Boeny, Ranaivoson Tahirisoa, nandritra ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny  trano fivoahana tao amin’ny Lapan’ny tanànan’i Mahajanga, ny zoma 20 novambra 2015. “Tay voagadra anaty kabone no miantoka ny sakafo ara-pahasalamana”, io ny lohateny nentina nanamarihana izany hetsika izany.

Naseho nandritra izany ny vokatry ny fiparitahan’ny tay eny an-kalamanjana any Mahajanga,  ary voalaza fa mbola latsaky ny 30% ny fampiasana trano fivoahana amina tokantrano 100 misy any an-tampon-tanàna. Tanjona ny hanairana ny vahoaka fa loza mitatao ny fiparitahan’ny tay an-kalamanjana ka  entanina mafy izy ireo amin’ny fampiasana kabone  ao amin’ny Faritra Boeny. Eo ihany koa ny fampihenana ny tahan’ny fahafatesan’ny zaza vokatry ny aretina azo avy amin’izany maloton’ny olombelona tsy voagadra izany. Nisy avy eo ny soso-kevitra sy ny fanapahan-kevitra naroson’ireo nasaina hialana amin’ny fanaovana maloto eny an-kalamanjana.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre