Vous êtes ici :

Samedi 27 Avril 2024

ombre

Raharaha ambalavelona – Nosamborin’ny polisy Kohen Rivolala

Mahakasika ilay raharaha ambalavelona mahazo ireo ankizivavy kely miisa 50 any Miandrivazo dia nosamborin’ny polisy any an-toerana i Kohen Rivolala ny alarobia lasa teo, ary atao famotorana amin’izao fotoana izao. Fantatra fa mpianatra manomboka any amin’ny kilasy faha-8 hatramin’ny famaranana no tratra ny aretina hafahafa izay miendrika adalana ao amin’ny lisea Masindahy Piera  any Miandrivazo. Tamin’ny firediredin’ireo tovovavy rehefa nivavahana no nahatonga ny ahiahy nipetraka tamin’i Kohen Rivolala izay mitondra ny finoana « Hébraïque judaïsme messianique ».

« Tezitra ny sefonay fa ivavahanareo izahay », hoy ireo zazavavy. Ary raha nanontaniana mahakasika ny sefony izy ireo dia nanambara fa lehilahy lava volo be, ary ny tanana misy may. Nametraka fitarainana tany amin’ny mpitandro filaminana noho izany ny ray aman-drenin’ireo ankizivavy. Tsy fantatra anefa na fifandrifin-javatra fa nifanojo indrindra tamin’ny bika an-driran’ity mpitondra fivavahana ity, izay nanao fitetezam-paritra tany an-toerana, ny filazan’ ireo ankizy vavy tratry ny ambalavelona ka noraisim-potsiny tao Betsiriry izy io. Mbola nahatratrarana zavatra mampiahiahy ihany koa teny aminy nandritra ny fisavana ny entany.

Ny mahagaga anefa misy olona ambony miaro ity mpanorina ny finoana hebreo ity amin’izao fotoana izao, ary mandidy ireo mpanao famotorana hamoaka azy haingana. Tsikaritra ihany koa amin’ izao fotoana izao fa manomboka miseho tsikelikely ny fisolokiana ataon’ireo mpitondra fivavahana sekta eto Madagasikara. Taorian’ny sœur Fabiola mantsy dia i Kohen Rivolala indray no eo am-pelatanan’ny polisy. Iza indray ny manaraka?

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre