Nijapy fiara nandeha – Tovolahy maty nianjera
Tovolahy iray no maty tsy tra-drano, ny alakamisy hariva, tokony tamin’ny 6 ora sy 45 minitra tany ho any, teny amin’ny Cité Canada, any Toamasina, rehefa nianjera avy eny ambony fiara nandeha. Araka ny loharanom-baovao dia nijapy an’io fiara mandeha io ilay tovolahy, kanjo nijanona tampoka ilay fiara rehefa tonga tamin’ny toerana voalaza etsy ambony . Nipitika avy hatrany ity zazalahy ary notatazan’ny kodiaran’ilay fiara ny lohany ka voahitsaka.
Samy manana ny filazany anefa ny loharanom-baovao avy any an-toerana manoloana ity lozam-pifamoivoizana ity. Misy ireo milaza fa nodomin’ity fiara ity ilay tovolahy raha nanaraka tsara ny sisin-dalana. Hatreto, mbola mifamahofaho ny resaky ny olona ka tsy fantatra mazava ny tena antony nahatonga ny loza. Mbola tsy nahazoana fanazavana ihany koa ny eo anivon’ny mpitandro filaminana any an-toerana mahakasika ity tranga ity.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







