Toamasina – Ankizilahy saika nisy naka an-keriny
Tovolahy iray nirahina nividy akondro indray no saika nisy naka an-keriny, ny alatsinainy hariva teo, tany Toamasina. Nisy namely totohondry ny vavany ka vaky sady fanina izy ary naondran’ny roa lahy tao anaty bajaj avy eo. Mbola nahatsiaro tena anefa izy tamin’io fotoana io ka nahare tsara ny resaka nifanaovan’ireo olona roa nikasa hangalatra azy io.
Nitsambikina avy eny ambon’ilay kodiaran-telo nandeha ilay tovolahy, handositra ireto olon-dratsy. Izy indray avy eo no nolazain’ireo jiolahy fa mpangalatra ka nifanenjehana. Soa ihany anefa fa nisy polisy teo amin’ny manodidina teo ka nanantona azy ireo avy hatrany ilay tovolahy ary nitantara ny zavatra nanjo azy. Nentina haingana tany amin’ny hopitaly « Central » ao an-toerana ilay tovolahy fa raha tsy izany dia maty, araka ny loharanom-baovao. Fantatra fa mbola mpianatra io zazalahy io saingy tsy fantatra kosa hoe saika atao inona izy. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ ny polisy any an-toerana.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







