Vous êtes ici :

Samedi 04 Mai 2024

ombre

Ariary be !

Fony mbola kely, tany amin’ny faramparan’ny folo-taona 70 tany ho any dia be no mahatsiaro fa mbola nahazo zavatra tsara ny vola ariary. Mbola nahazo paoma marikivy ireny somary ngezangeza ireny ity vola ity, na ihany koa mofo gasy iray, na voamadilo, na koa vatomamy kanety maro loko iray. Ho an’ity farany dia maro loko toy izany koa ny lela rehefa mitsentsitra azy hany ka mora fantatra hoe iny izany no « goûter » ary ariary no fanomezan’ireo ray aman-dreny rehefa handeha hianatra ny kilonga. Ho an’ny teto an-drenivohitra izay nanovo fahaizana tamin’ireny sekoly tsy miankina ireny kanefa sekolim-pinoana ka mifanerasera ao ny zanaky ny manam-pahefana sy ny taranaky sy ny mpanefoefo, dia tsy hilaozan’ny iray na roa, eny hatramin’ny mpianatra folo izay avy amin’ny sarangan’ireo sahiran-dava. Mazava ho azy fa menamenatra ery ireto farany rehefa tratran’ny namany miloko maromaro toy izany ny lelan’izy ireo. Fa tsaroana ihany koa tamin’izany andro izany fa mbola niasa ny ventsikirobo sy ny iraimbilanja ka roa tamin’iry voalohany sy iray amin’ity farany no manome ny ariary. Nisy ireo mpivarotra tsy mandray ireto karazam-bola ireto intsony satria any amin’ny banky sisa no azo anakalozana azy ireo. Ka rehefa ireny no voasariky ny tanan’ireo ray aman-dreny dia midika izay fa tokony hionona ny tsirairay fa amin’ny manaraka indray aloha izany ny resaka « goûter » izany. Ary tsaroana ihany koa fa nisy karazany roa ny ariary dia ilay mbola fahita ankehitriny iny sy  iray hafa somary ngeza dia ngeza. Ity farany no antsoin’ny maro tamin’izany hoe « ariary be ». Toy ny ventsikirobo sy ny iraimbilanja dia azo isaina amin’ny rantsa-tànana ireo mpivarotra mandray ity vola farany voalaza ity. Tadidin’ireo mpianatra teny amin’ny faritra Amparibe sy Mahamasina iny, teto Antananarivo izany, fa mpivarotra paoma izay ihany no mandray ity vola ity. Dia mazava ho azy arak’izany ihany koa fa raha sendra voarain’ny tanan’ireo ray aman-dreny ka voatolotra ho anao ity vola ity dia paoma marikivy miampy vovon-tsira sy vovon-tsakay izany no ady eo. Amin’ny maha-zaza moa dia mahatsiaro ho tena farahidiny amin’ireo mpianatra hafa izay zanaky ny manan-katao tokoa ny ankizy toy izany, hany ka miafinafina lavitry ny maso vao sahy manaikitra ilay paoma kanefa anie dia ampangain’ilay tànana mivonkona misy ny vovon-tsira sy ny vovon-tsakay e ! Dia izany tokoa ny fiainana faha-zaza saingy efa hahafantaran’ny kilonga sahady, eny fa na dia mbola tsy hary saina aza, ny elanelana misy eo amin’ny tsirairay.

Ity fomba fiteny ity ihany koa dia nentina ilazana ireo izay tsy dia mamokatra firy, na koa tsy dia tsapa loatra ny vokatry ny asany, izay hoe ireo izay manakaiky ny isa aotra raha sandaina amin’ny naoty ny asa nataony.
Fampitaha toy izany koa no ataon’ny maro tato ho ato ny momba ny fitantanana an’ity firenena malagasy ity. Ireo efa nahazoazo taona aloha dia mampatsiahy ny vidim-bary tamin’ny fitondran’Ingahy Ratsiraka sy ireo izay nandimby azy. Ny tato afara indray ny mampitamberina ny vidin-tsolika fahizany sy ny misoratra mivandravandra eny amin’ny toby ankehitriny. Ny hafa indray dia resaka « devise » no atao be. Ny mahagaga amin’izao fotoanan’ny Repoblika faha-efatra izao dia ny filazana fa na dia tsy nisy aza ny fanampiana avy any ivelany nandritra ny tetezamita dia toa sahala amin’ny mba niaina ihany ny vahoaka. Raha adika tsotsotra dia sahalan’ny milaza fa mbola nanana paoma, eny fa na dia marikivy aza, mba ho tsakotsakoana ihany ny vahoaka, ary mbola afaka nihinana intelo isan’andro foana ihany. N’aiza n’aiza tokoa misy ny mpanao gazety dia tsy misy toerana tsy ahitana fimenomenomana : ny tremalahy milaza fa tsy misy bizina sy tsy misy asa, ireo eritreretina sarangan’ny antonona, milaza fa sahirana manenjika saram-pianaran’ny ankizy, ary ny mahantra moa, araka izany anaran’izany, dia miady amin’ny hanoanana.
Dia mazava  fa mitovy ny feo : tsy misy vola ! Dia rehefa dinihina tokoa ny asa nataon’ny fitondram-panjakana dia tsy tsapa mihitsy ny fiantraikan’ny tetikasa natao nandritra izay roa taona nitantan’izy ireo ny firenena izay. Vao mainka aza miha-mitombo ny fadiranovana sy ny tsy manan-kialofana ary amin’izao fotoanan’ny orana izao mihitsy dia toa mivandravandra loatra ny tandrevaka sy ny tsy fahaiza-miasan’ireto mpitondra. Dia tena « ariary be » tokoa anie izany satria dia sahirana daholo ny rehetra, afa-tsy ry zareo ihany. Mazava izay !

J.L.R

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre