Menabe – Zaza efatra hetsy ezahina ho vita vaksiny
Manomboka androany alatsinainy 30 novambra ary tsy hifarana raha tsy ny zoma 4 desambra ho avy izao ny andiany faha enina amin’ilay hetsika faobe hiadiana amin’ny lefakozatra. Ho an’ny faritra Menabe manokana dia zaza manodidina ny efatra hetsy no ezahina ho vita vaksiny amin’ity taona ity, raha toa ka efa mahatratra 11 tapitrisa kosa izany manerana ny Nosy. Mpisehatra ara-pahasalamana maro no miara-misalahy amin’izany hitety tokantrano isam-pokontany sy isaky ny kaominina ary mahazo anjara amin’izany avokoa ny distrika rehetra ao anatin’ny faritra Menabe.
Manentana hatrany ireo ray aman-dreny, araka izany, ny tompon’andraikitry ny fahasalamana mba handray ireo mpanao vaksiny satria tombontsoa lehibe ho an’ny zaza ny hanaovana ny vaksiny mba hiadiana amin’ny aretina lefakozatra.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







