Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

15 taona nanajariana ny tany – Nesorina ireo mpanao garazy fa lasan’ny vahiny ny toerana

Mitaraina ireo mpanamboatra fiara eny Andavamamba amin’izao fotoana izao manoloana ny tsindry hazo lena mahazo azy ireo. Tsy nisy ny fifampiresahana na ny fampandrenesana mialoha fa baiko midina avy hatrany no tonga manala ireo mpanao garazy amin’izany toerana izany. « Aiza ny fiarovana ny mandinika ? » hoy ireo mpanofa ity toerana ity satria efa 15 taona nanajariana ny tany izy ireo.

« 15 andro no fotoana nomena anay hiala amin’ity toerana ity, izay efa nanomboka ny zoma lasa teo satria lasan’ny mpanambola vahiny ny tany. Am-bava no hanalana anay eto. Maro ny zavatra tsy ho voavaha anatin’izay fotoana izay ary mamelona 50 olona izahay ato amin’ity toerana ity  izay miteraka olana be amin’ireo mpiasa sy ireo mpanfija », hoy i Ramangasaonina Jean Baptiste, Filohan’ny garazy.

Mahatratra any amin’ny 800 metatra tora-droa eo ity velaran-tany ity. Ho an’ireo mpanofa ny tany dia sarotra ny ahitana ny toerana tahaka izao, indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao. Mitodika any amin’ireo tompon’andraikitra ambony ireo mpanofa ity toerana ity mba hijery akaiky azy ireo.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre