Toamasina – Nofatorany ny mpampiasa azy ary norobainy ny entana
Mihamahazo vahana ny fivadiham-pitokisana eo amin’ireo mpiasa an-trano any Toamasina. Fianakaviana iray indray no lasibatra ny mpanampy azy tao Andranomadio 11/43, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo, tokony tamin’ny 10 ora. Rehefa samy natory avokoa ny iray trano dia nifoha tampoka ilay tovolahy mpiasa an-trano niaraka tamin’ny antsy ary nandrahona ireo mpampiasa azy. Tsy vitan’izany fa mbola nofatorany izy telo mianaka tao an-trano sady notapenany ny vavan’izy ireo. Tratran’ny tsy nampoizina dia tsy afa-nanoatra ny tompon-trano ka nanararaotra nitatitra ireo entana sarobidy rehetra tao an-trano ilay tovolahy mpanampy. Fantatra ihany koa fa nisy namany iray hafa niandry azy tany ivelany nanampy azy nitaona ireo entana ireo. Naharitra ora iray teo ho eo ny nanatanterahany izany asa ratsy izany araka ny loharanom-baovao.
Raha tsiahivina dia tokantrano iray hafa tao Andranomadio 11/41 no niharan’ny fivadiham-pitokisana tahaka izao vao tsy ela izay. Mody nanao marary ilay tovolahy tamin’izay fotoana izay nefa tetika efa nomanina angalarana ny entan’ny mpampiasa azy fotsiny.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







