Mahavangivangy tian-kavana !
Rehefa avy tany Londres, renivohitry ny firenena britanika sy tany Bruxelles, renivohitry ny firenena belge ny filoha Rajaonarimampianina mivady dia nitsidika teto Madagasikara. Tamin’ny herinandro fahatelon’ny volana novambra lasa iny izany. Tsy nisy ny fanambarana sy tafatafa mahazatra natokana ho an’ny mpanao gazety tamin’izay fotoana izay fa dia niditra ny nosy Madagasikara nitsaitsaika ireto raiamandreny lehibe ireto. Maro aza no nametraka fanontaniana hoe : efa tonga angaha ? Rehefa nijanona ora maromaro teto anefa dia re indray fa hanainga hamonjy ilay fivoriana be tany Paris. Nahoana tokoa moa no tsy handray anjara amin’izany satria dia filoham-pirenena 150 be izao no mifanao fotoana any ary dia mazava ho azy fa fety be « da fety » tokoa anie no nisy na dia voalaza aza fa mihatra ao LaFrantsa ny fepetra manokana amin’ny tany mihotakotaka. Raha i François Hollande sy Barack Obama fotsiny ohatra dia nifanasa hisakafo hariva tany amin’ny hôtely tena manja be tany ka … « kaly » ange izao, sady « bobaka » no lafo. Inoana marimarina fa tsy latsa-danja amin’izany ny an’ny filoha Rajaonarimampianina mivady satria raha ny tsilian-tsofina dia mankafy tanteraka irony karazan-tsakafo ambony kalitao irony sady azo lazaina fa « avo razana » ireny izy mivady raiamandreny ireto. Ramatoa – ialana tsiny fa tsy hita antsoina hoe « Neny » fa io anarana io dia efa nisy naka, na koa hoe « mama » satria io indray dia samy manana ny azy ny olo-jiaby – moa dia fantatra ihany koa amin’ny hakingana miantsena any amin’ny renivohitr’i Lafrantsa io. Ary dia mahavita … « manodina » fiaramanidina mihitsy hibata ny entana izay zakan’ny vola satria dia toy izany tokoa no niseho tamin’ny herintaona toy izao.
Etsy andaniny dia somary mifanontany tena ihany ny tsirairay ny amin’ny antony marina tsy maintsy nandehanana tany, ankoatra ny nihaona sy niresadresaka tamin’ny filoham-pirenena hafa. Tsaroana tokoa mantsy fa toa kabary tokana ihany no tena nahitana ny fandraisan’anjara nataon’ny filoha, kabary izay nanaovana antso ho ren-tany sy ren-danitra izay nangatahana vola 42 miliara dolara tamin’ireo mpitondra firenena matanjaka sy ireo mpanam-bola vahiny.
Rehefa vita izay tokony natao tany Paris tany dia manana fivoriana hafa indray izay mitondra ny lohahevitry ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena sinoa sy ireo firenena afrikanina ny filoha Rajaonarimampianina izay hatao atsy Afrika Atsimo. Hitodi-doha aty amin’ny ila-bolantany atsimo izany ity raiamandreny ity ka dia nanararaotra nitsidika an’i Madagasikara indray. Raha bangoina izany dia nahavita nandalo teto amintsika indroa misesy tao anatin’ny fotoana fohy ny Filoha. Tamin’ity indray mitoraka ity dia ora maromaro no nijanonany teto ary dia tena feno tanteraka ny fandaharam-potoanany satria teo aloha ny fitokanana « zava-bita » tetsy amin’ny Hopitaly Ravoahangy Andrianavalona ny maraina, avy eo dia nandeha tany Ankadinondry Sakay ary ny harivariva dia nivory niaraka tamin’ireo mambra ny governemanta izay eto an-toerana sy ny Praiministra. Vita ireo rehetra ireo dia roso indray ny dia niampita ranomasina ho any Johannesbourg. Hazakazaka tokoa raha jerena vetivety izany fandaharam-potoana izany, tonga amin’ny vazivazin’ny ankizy hoe : « zara raha misy tany handehanana ho any an-kabone » ! Ny firenena sinoa moa dia efa lasa lavitra tokoa raha ny amin’ny lafiny ara-toe-karena ary dia manan-katao tokoa. Azo vinaniana avy hatrany fa hangata-bola indray aloha izany no tena foto-dia ka ho hita eo indray izany na hahazo na ataon’ny olona « kabary tsy valiana » ny fangatahana atao. Raha zohina tokoa mantsy ny vokatr’ireo fandehanana lava any andafy ireo, kely sisa dia manakaiky ny … aotra. Izany hoe tsy nisy azo notsapain-tanana firy ka mahatonga ny maro mieritreritra fa « hafa ihany ilay raikalahy taloha ».
Fa efa zava-dehibe aloha ny mahita ny Filoha Rajaonarimampianina mitsidika matetika an’i Madagasikara. Manamarina izany ilay ohabolan’ny Ntaolo ka nahatonga ny tarika Door’s Group nihira azy : « Izay mahavangivangy tia havana » ! Mazava ho azy araka izany fa mety hisy fotoana hafa indray, ao anatin’ny andro vitsy, mbola hiverenan’ny Filoha hitsidika ny eto Madagasikara indray, alohan’ny hifaranan’ny taona.
Jean Luc RAHAGA
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







