Mahanoro – Taolam-paty iray gony hita tao ambany tetezana
Nahitana taolana iray gony tao ambany tetezan’i Ranomainty, ao an-tampon-tananan’i Mahanoro, ny 27 novambra lasa teo. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra kitapo nampiahiahy azy ka rehefa nojerena dia taolan-dava miisa 14 no hita tao anatiny. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ireo nahita izany ka nidina teny an-toerana ireo voalohany nanao ny fizahana. Tsy fantatra ny nahavanon-doza sy ny tompon’ny razana voaviravira hatreto. Tsy nisy fitairanana fasana vaky ihany koa tany an-toerana.
Noraisin’ny manam-pahefana an-tanana ny andraikitra ka nalevina ao amin’ny fasam-bahiny ao an-toerana ihany ireo taolana. Araka ny vaovao voaray, betsaka ny toerana ahitana taolam-paty mifatratra anaty gony any amin’iny faritra Atsinanana iny amin’izao fotoana izao. Tsapa ihany kao fa tsy avy any an-toerana ireo taolana hita ireo fa avy aty amin’ny faritra ivelany satria tsy mbola nisy mihitsy ny fitarainana vaky fasana voaray manodidina ireo toerana nahitana ireo taolana ireo.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







