Ankadifotsy – Mpiandry naratra mafy voatsatoka antsy
Mpiandry iray manodidina ny 50 taona any ho any no naratra mafy niharan’ny fanendahana, ny alin’ny talata 1 desambra, tamin’ny 9 ora, teny Ankadifotsy. Avy nanao ny asan’Andriamanitra, ka handeha hamonjy fodiana izy no nosakanana tovolahy miisa 2. Norahonan’izy ireo tamin’ny antsy avy hatrany ilay mpiandry mba hanome izay rehetra teny aminy. Nilaza ho tsy manana na inona na inona anefa izy ka avy dia notsatohan’ireo olon-dratsy antsy. Tsy vitan’izany fa mbola nifampisintoman’izy ireo ihany koa ny akanjo fotsy lava notafiany sy ny baiboly teny an-tanany ka rovidrovitra tsy nisy noraisina intsony. Lasan’ireo jiolahy avy eo ny vola kely sy ny finday teny aminy. Efa tsy lavitra ny trano fonenany no nisehoan’ny fanendahana ka mbola tody soamantsara tany an-tranony ity mpiandry ity ary vantany vao tonga dia safotra. Gaga ny iray trano ka nifamonjena nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana. Araka ny filazan’ny mpitsabo nandray azy dia divi-janahary no tsy nahafaty io lehilahy io satria nahitana dian’antsy enina manerana ny vatany.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







