Rano fisotro madio – 43%-n’ny mponina ihany no mahazo izany
Mbola olana lehibe eto Madagasikara ny tsy fahampian’ny rano fisotro madio fa indrindra eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Araka ny tatitra ny Diorano Wash 2012-2016, mbola ambany ny tahan’ny fahazoana izany satria 43 isan-jaton’ny mponina ihany hatreto no mahazo izany ary ny 40 isan-jato no manana lavapiringa. Manoloana izay indrindra dia nanantanteraka fivoriam-be naharitra roa andro, ny voalohany sy ny faharoa ny volana desambra, teny amin’ny trano fandraisam-bahiny Astauria, eny Antanimena, nivondronan’ireo mpisehatra rehetra ao anatin’ny fikambanana Diorano Wash ato amin’ny faritra 22 niaraka amin’ny Water Aid mba ametrahana ny fiaraha-monim-pirenena momba ny rano, ny fahadiovana ary ny fidiovana izay tafiditra anatin’ny fampandrosoana ny firenena sy ametrahana ny fitondrana tsara tantana. « Tanjona ny fampiroboroboana ny fandraisana anjara ny vehivavy sy ny tanora amin’ny fitantanana sy ny fampandrosoana ny rano, fahadiovana, fidiovana », hoy i Herivelo Rakotondrainibe, mpandrindra nasionaly ny Diorano Wash. Nisy noho izany ny jery todika sy ny fandrosoana soso-kevitra hanatsarana ny fahadiovana izay nezahina natsangana nandritra ny fivoriam-be.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







