Toamasina – Nisy nanafika ny « Orange Money »
Tsikaritra fa mihamahazo vahana indray ny fandrobana ireny mpamongady vola amin’ny alalan’ny finday ireny amin’izao fotoana izao. « Orange Money » iray ao amin’ny fokontany Ambolomadinika 13/31, any Toamasina indray no nisy nanafika amin’ny andro mazava, ny marainan’ny talata voalohany volana desambra, tamin’ny 10 ora. Jiolahy telo nitondra kodiaran-droa marika Jog miloko mainty sy Bwiss miloko volotany, nirongo fitaovam-piadiana no nanantanteraka ny fanafihana. Nipoapoaka ny basy tamin’ny fandalovan’izy ireo teny an-toerana nampirohorohoana ireo manodidina. Tetika izay tena nahomby tokoa satria vaky nandositra nanavotra ny ainy avokoa ireo olona vao naheno ny feom-basy izay tena nanakoako.
Mbola notifirin’ireo olon-dratsy ihany koa ny tovolahy 21 taona, mpiambina izany toerana izany. Naratra mafy ka lasa tamin’izany ny vola mitentina 600 000 ariary izay natokana ho hofan-trano. Nilefa nianavaratra ny toerana nanaovana ny fanafihana ireo jiolahy avy eo sady mbola nanapoaka basy indroa, araka ny loharanom-baovao.
Raha tsiahivina dia jiolahy miisa 3 ihany koa nirongo zava-maranitra no nanafika « Airtel Money » iray, tany Madiotsifafana, Ambatondrazaka, ny faran’ny volana novambra, tamin’ny 2 ora maraina. Lasa tamin’izany ny lelavola 400 000 ariary sy solosaina ary kamera natao hanara-maso izany toerana izany.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







