Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Herisetra amin’ny ankizy – Zazavavikely 8 taona maty tao amin’ny toeram-pitaizana

Zazavavy kely vao 8 taona monja no maty tao amin’ny ivo-toerana fitaizana zaza kamboty iray, any Antsirabe, ny talata lasa teo. Araka ny filazan’ny mpitsabo nijery ny razana dia noho ny kapoka tafahoatra nihatra taminy no nahafaty azy. Nanaporofo izany ny fahitana ratra izay nanerana ny vatany. Voalaza fa ireo mpitaiza azy ao amin’ny akany ihany no tompon’antoka tamin’io vono sy ratra io fa tsy mbola tsy fantatra kosa hoe iza? Ny taona 2008 no niditra tao amin’io akany io ilay zazavavy kely.

Naato ny ministeran’ny Mponina sy ny fiahiana ny vehivavy nanomboka ny talata hariva kosa ny asan’io ivo-toerana io satria izy nantenaina hikarakara sy hanavotra ireo zaza kamboty sy tsy manana fianakaviana miahy indray no mahavita mamono mahafaty ankizy ao aminy. Ireo ankizy notaizaina tao kosa nafindra avy hatrany any amin’ny akany mitaiza zaza kamboty iray hafa ary nozahana tsirairay avy tao amin’ny mpitsabo manokana mba itarafana ny toe-pahasalamany.

Manoloana ity raharaha ity dia manenjika ireo tompon’andraikitra ao ny eny anivon’ny Fitsarana. Misokatra noho izany ny fanadihadiana ataon’ny polisy misahana ny fiarovana ny ankizy tsy ampy taona, amin’ny fikarohana ny tompon’antoka amin’izany. Efa mandeha ihany koa ny fikarohana  ny ray aman-dreny niteraka io zazakely io amin’izao fotoana izao.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre