Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Vaksiny fanefitry ny lefakozatra – Tsy misy fiantraikany ara-pahasalamana

Manoloana ny resabe mandeha sy ny fanahiana eo amin’ireo ray aman-dreny mahakasika ny fanaovana vaksiny lefakozatra dia nanambara ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Lalatiana Andriamanarivo, omaly, teny amin’ny hopitaly Hjra, fa tsy misy fiantraikany ara-pahasalamana amin’ny zaza velively ny fanaovana io vaksiny io. « Tsy mahafaty izany ny fanaovana vaksiny lefakozatra. Mahakasika ilay tranga niseho tany amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana dia mety misy aretina any amin’ilay toerana fa tsy tokony afangaro amin’ny lefakozatra. Aoka tsy ampitahorana amin’ny zavatra tsy mari-pototra ny vahoaka. Aoka isika manam-pahefana handray ny andraikitsika fa tsy hiteniteny foana na hamitaka ny vahoaka », hoy hatrany ny minisitra.

Nomarihiny ihany koa fa tsy mitombina ny filazana fa afaka telo taona vao miasa ny fanaovana ny vaksiny satria ny volana aogositra lasa teo no nahenoina farany ny trangan’aretina « poliomyélite » teto Madagasikara. « Misy vokany noho izany ny fanaovana io vaksiny io ary ho ampiana foana izany raha ilaina », hoy ny profesora Lalatiana Andriamanarivo namarana ny teniny.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre