Rano fisotro madio – Tsy tratra ny tanjona hoan’ny taona 2015
Notanterahana omaly, teny amin’ny DLC Anosy, ny atrikasa ho an’ireo mpisehatra rehetra momba ny rano fisotro madio sy fidiovana, izay faranana androany. Roa andro nanaovana jery todika, ny sakana sy ny olana amin’ny famatsian-drano eto Madagasikara, izay niarahan’ny Diorano Wash, ny fanjakana ary ny mpiara miombon’antoka misalahy izany. Nampahafantarana nandritra io atrikasa io fa tsy tratra ny tanjona amin’ny fahafahan’ny vahoaka mahazo famatsian-drano tamin’ity taona 2015 ity ary ny tsy fahampian’ny tetibola entina miasa manantanteraka izany no tena antony. Io roa andro io noho izany no fotoana entina hamaritana sahady ny paik’ady sy ny drafitra hanatsarana izany ho amin’ny taona 2025 ka ny 52 isan-jaton’ny mponina no ezahina hahazo rano fisotro madio. Araka ny tatitra avy amin’ny ministeran’ny Rano dia 119 isan-jaton’ny fidiovana no ezahina tratrarina amin’ny taona 2017 ary ilaina ny fitantanana ara-drariny fa tompon’antoka amin’ny fahazoana rano fisotro madio ny tsirairay. Ho fahatratrarana ny tanjona amin’ny famatsian-drano dia ampiana 40 ireo “forage” any amin’ny Faritra Androy sy Anosy mandra-pahatonga ny faran’ny taona raha toa ka efa 272 no tafapetraka any an-toerana.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







