Fahasalamana – Notokanana ny sampan-draharaha fitarafana ao amin’ny Hjra
Mivoatra hatrany ny hopitaly Hjra tao anatin’ny 40 taona nijoroany izay. Betsaka ny fanatsarana ary torak’izany ny fahazoana fitaovana hanatsarana ny tontolon’ny fitsaboana ao aminy. Manoloana izany indrindra dia notokanana tamin’ny fomba ofisialy, ny alakamisy 3 desambra, ny vonjy aina sy ny sampan-draharaha fitarafana amin’ny sehatra fitsaboana eny an-toerana. Raha ny « radiologie » ihany no nisy tao an-toerana teo aloha dia efa ahitana ny momba ny sampan-draharaha fitarafana toy ny « scanner », « IRN », « mammographie », « échographie » avo lenta ary ny « lithotripsie » ao amin’ny Hjra amin’izao fotoana izao. Marihina fa ny « lithotripsie » dia karazana fitaovana iray hanapotehana ny vato ao amin’ny vatan’ny olombelona izay tsy mila fandidiana intsony.
Ny anjara biriky ny orinasa Star tamin’ny fanomezana vola mitentina 30 tapitrisa ariary no nahafahana namita ny fanavaozana ity tetikasa ity, teo amin’ny sehatry ny tao-trano, ny vovonana ary ny kojakoja sy ny fametrahana ny herinaratra eny amin’ny efitrano fandraisana olona. Ity fanavaozana ity izay tafiditra ao anatin’ny politikan’ny fanatsarana ny fitsaboana sy ny sampan-draharaha rehetra eny amin’ny vonjy aina. Raha fandriana miisa 15 ihany no afaka nandray marary hatramin’izay dia mety hahatratra 25 kosa izany amin’izao ary hisy efitrano fandidiana iray hanampiana ireo roa efa nisy.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







