Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Fihavanam-bato !

Tapaka izany ny tady eo amin’ny mpanakanto sy ny minisitry ny Kolontsaina sy ny asa tànana. Maro ny milaza fa tena mba tsy malina mihitsy kosa ity filohan’antoko iray ity satria dia tsy mbola nisy hatramin’ny naha-firenena an’i Madagasikara mpitantana ka handeha hiady amin’ireo artista. Dia gaga ianao, hoy ny ankizy ankehitrio. Mbola nisy tokoa fotoana azo nanarenana ny fifandraisana teo amin’ny roa tonta satria herinandro maromaro teny no efa fantatry ny maro ny aretina mikiky saingy nanao di-doha ramatoa minisitra ka tsy te-hahalala mihitsy ny hevitry ny hafa. Raha vao nanomboka mantsy ny fifandonana, taorian’ny filan-kevitry ny ministra, dia efa nilaza ireto artista fa toerana sy fahefana mandalo ny an-dramatoa Brigitte Rasamoelina ka raha toa izay no anararaotana hanaovana ny tsindry sy ampiharana ny hevitra tsy masaka loatra dia hamela mangidy ho an’ny fiaraha-monina. Marina tokoa izany satria raha izay hoe minisitry ny Kolontsaina dia mba efa maro ihany izay nandalo teo izay. Ny hany tokana mbola tena tsy afaka am-bavan’ny vahoaka ny anarany dia ny an-dramatoa Gisèle Rabesahala, izay tsapan’ny mponina fa nanao ezaka lalandava nahafahan’ny mpanakanto malagasy  mivelatra araka izay tokony ho tratran’ny heriny. Tsaroana tokoa fa niroborobo fatratra ny zavakanto tamin’izany fotoana izany ary tsy vitsy ireo tarika mpanao vakodrazana no miampita ranomasina mitondra avo ny harem-pirenena malagasy. Izany moa dia tafiditra tanteraka amin’ny fifanakalozana izay natao maneran-tany.Tsaroana ihany koa fa maro ireo artista izay niantohan’ny fanjakana sy ny firenena hafa miara-miasa akaiky taminy no nandray anjara tamin’ny fifaninana iraisam-pirenena ary dia navoitra lalandava ny kolontsaina Malagasy. Tsy ireo mpihira ihany anefa no nahazo tombony fa teo koa ny poeta, ny mpanao sary hosodoko, ny mpanao asa sikotra, sy ny maro tsy ho voatanisa. Tamin’izany fotoana izany ihany koa no niroborobo fatratra ny asa sary hitatra sy ny “bande dessinée” ary maro ny boky sy tantara an-tsary azo nojifain’ireo mpamaky.

Dia raha ireo lohahevitra navoitra ireo no dinihina dia manontany tena ny besinimaro ny amin’ny andraikitra raisin-dramatoa minisitra ny Kolontsaina ankehitriny. Ny amin’ny asa tànana ihany koa dia mahavalalanina ny maro ny asa vitany. Ny heno aza dia fitarainan’ireo mpanao asa tànana amin’ny tsy fisian’ny akora fototra ahafahan’izy ireo manabe voho sy manitatra ny ambaindain’ny famokarana. Raha resaka “bois de rose” ohatra dia tsy ahitan-teny mihitsy ramatoa Brigitte Rasamoelina kanefa dia maro ireo mpanao asa tànana, eny fa na dia ny tsy an’asa, maniry ny hikirakira ity hazo sarobidy iray ity. Ny fanodinana azy ity ho tonga fitaovana sy haingo-trano ka hojifain’ny Malagasy sy ireo vahiny mpitsidika eto amintsika dia inoana marimarina tokoa fa hitondra soa ho an’ny rehetra. Dia izay no mahatonga ny maro mametra-panontaniana satria tsy mbola heno mihitsy ny mpitantana ankehitriny mba namaritra, eny fa na dia sombiny kely ihany aza, izay ampahany mba ho an’ny mpanao asa tanàna eto amintsika, ka tsy haondrana any ivelany izany. Asa aloha raha mahatsiaro manana andraikitra amin’izany na tsia ity minisitry ny Kolontsaina ankehitriny ity na dia variana fotsiny manangana ady etsy sy eroa, indrindra amin’ireo mpanankato.
Fa raha asian-dresaka ihany koa ny tontolon’ny boky sy ny asa soratra dia azo tsapain-tànana ihany fa dia nietry dia nietry tokoa ny lanjany eo amin’ny fiainan-dramalagasy. Zara raha mahavelon-tena ankehitriny ireo mpanoratra sy ny orinasa mpanatonta boky. Raha ny marina dia ny fanjakana, izany hoe ny minisiteran’ny Kolontsaina no tokony hijoro hiezaka hamerina ny hasin’ny boky sy ny famakiam-boky ankehitriny. Tao anatin’ny folo taona maro izay dia tsy mba nandrenesam-peo intsony ny fiaraha-miasa avy amin’ireo namana any ampitan-dranomasina amin’ny fanolorona boky. Azo lazaina izany fa boky efa tena tonta sisa no ho hita ao amin’ny Tranombokim-pirenena ao ary tsy nihavao sy nitombo karazany intsony. Mety marina tokoa izany fa ilay tranobe nanana izany hasiny izany aza efa nobodoin’ny minisitera ary dia ao mihitsy ankehitriny no misy ny biraon’ny minisitra. Mety misy koa ny hilaza fa mahatsara zavatra izany satria efa ao akaiky ao ny minisitra ka mety hiasa tsara ny rehetra. Araky ny filazan’ny maro dia mety marina tokoa izany satria lasa biby fampitahorana ny lehibe kanefa aza adino fa amin’izay fotoana izay dia hiditra ao amin’io tranomboky io daholo na ny politika, na ny tsisy atao rehetra any ka mieritreritra fa ao misy vola, sy ny sisa  tsy voatanisa.
Fa etsy andanin’izany dia misy ireo vondron’olona na vondrom-pahefana ampian’ny mpiara-miombon’antoka avy any ivelany. Ohatra amin’izany ny Fiadidian’ny Tanànan’Antananarivo, roa taona lasa izay, dia  nahazo boky tanaty kaontenera maromaro ary misy fitaovana maro samihafa toy ny solosaina, latabatra, seza, birao, sy ny sisa. Dia hita mihitsy araka izany fa sady tsy dia ampy fahaizana sy traikefa mihitsy ny hafa no sady tsy dia tia karokaroka loatra.
Raha izay rehetra izay  ary no dinihina dia tena tsapa tokoa fa misy ny elanelana be eo amin’ireo nomena fahefana izay neritreretina, angamba, mety hampandroso, sy ny asa tokony hatao. Mazava araka izany raha toa tapaka ny tady satria ny ankilany dia tena tsy mahafantatra mihitsy ny asa tokony ataony sy ny tontolo hiasany. Dia  izay ilay manaonao foana ka mahatonga ny hafa hiakatra afo ka hanoro ny tena marina. Kanefa moa ny iray dia manao … beloha fotsiny tsy hay tenenina, eny fa na dia hita izao aza fa hidona amin’ny rindrina sy hitondra ny hafa any an-kady. Ny zava-misy ankehitriny izao dia manome lamosina amin’ny minisiteran’ny Kolontsaina ny mpanakanto manandratra ny maha-malagasy, ary dia tonga amin’ny fitenenana hoe: tapaka tsy azo atohy intsony!

Jean Luc RAHAGA

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre