Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Afo tsy fanta-pihaviana – Lasa lavenona ny tanan’Antetezandravina

Tsy fantatra avy aiza ny fiandohan’ny afo fa tanàna iray ao Antetezandravina Ambaritelo, any Sambava no lasa lavenona, ny alatsinainy lasa teo, tamin’ny 2 ora tolakandro. Mihorohoro tanteraka ireo mponina any amin’ity toerana ity amin’izao fotoana izao. Tsy misy sahy mampirina entana sy matory ao an-trano izy ireo.

Eo ireo efa tsy mahavita asa, ireo mpianatra indray tsy mandeha any an-tsekoly intsony  sao amin’ny fotoana tsy maha eo azy ireo no tonga ny afo. Trano miisa 5 no indray may tamin’ny fotoana nitrangan’ny fahamaizana. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia misy fofona mandalo ny tanàna alohan’ny hisian’ny loza ary minitra vitsy aorian’izay dia milatsaka ao ambony tafo ny afo. « Tsy mila fohanana rano intsony ny trano. Ny mahagaga ihany koa dia misy zavatra tsy hita maso mitoraka eran’ny tanàna izay tsy hay fihaviana », hoy hatrany ny loharanom-baovao.

Ahiana ho fipoahan’ny volikano kosa ity afo mandoro ny tananan’Antetezandravina Ambaritelo ity satria vao tsy ela izay dia nisehoan’ny horohoron-tany mahery vaika, tany Sambava. Tsy sambany ihany koa no nisehoan’ny zavatra toy izao tany an-toerana hoy ireo olobe satria efa nisy tranga mitovy tamin’io ny taona 2014, tao Andrahanjo. Manao antso avo amin’ ireo tompon’andraikitra noho izany ireo mponina tsy manan-kialofana hijery akaiky ny momba azy ireo sy ny hanaovana fanadihadiana lalina mahakasika ity toe-javatra hafahafa ity.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre