Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

67ha – Ramatoa marary teo am-pandriana maty kilan’ny afo

Mandrava ny haintrano eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Nitrangana firehetana indray teny amin’ny  67 Ha, omaly maraina, tokony tamin’ny 7ora. Afo avy amin’ny « gaz » no nahatonga ny loza nandritra ny fikarakarana sakafo vao maraina. Tany ambony rihana no niainga ny afo ka kila tanteraka izany efitra izany ary tsy nisy avotra ny entana rehetra teo anoloan’izany. Ramatoa be iray 67 taona marary teo am-pandriana ihany koa no namoy ny ainy tsy voavonjy nandritra ny haintrano.

Nisahotaka ny manodidina nahita ny fijoalajoalan’ny afo nivoaka tamin’ity trano ity ka nampandre ny mpamonjy voina avy hatrany izy ireo. Tonga ara-potoana ihany ireo mpamono afo saingy noho ny fahateren’ny lalana miditra any amin’ny toerana nisy ny fahamaizana dia sahirana izy ireo nanao ny asany. Voatery nampiasa fantson-drano lava izy ireo ka vetivety ihany dia voafehy ny afo ka tsy niitatra tamin’ny trano mifanila amin’ity nirehitra ity. Efa mandeha ny fanadihadiana nahatonga ny fahamaizina.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre