Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Ambalafary-Sambava – Trano 6 indray no may

Mitohy hatrany ny fandripahana ataon’ilay afo hafahafa tsy fanta-pihaviana any amin’ny kaominina ambanivohitr’i Sambava. Ankoatra ireo trano miisa 5 kilan’ny afo tao Antetezandravina Ambaritelo dia nihazo an’i Ambalafary indray izy io. Araka ny tatitra voaray avy any an-toerana dia trano enina indray no kila forehitra any amin’io toerana voalaza io, omaly maraina, tamin’ny 10 ora. Manoloana ity tranga hafahafa ity dia mandry tsy lavo loha ireo mponina amin’izao fotoana izao sady mihorohoro ihany koa. Mbola mitohy ihany koa ny fangatahan’izy ireo amin’ireo tompon’andraikitra ny mba hijerana azy ireo satria maro ireo tsy manan-kialofana vokatr’ity fahamaizana ity. Zaza madinika, tanora, antitra matory eny an-tokontany efa hatramin’ny alatsinainy lasa iny.  Efa nisy kosa ny mpitandro filaminana nidina  ifotony nijery akaiky ny raharaha nefa mbola mistery ihany koa ity tranga ity amin’izy ireo amin’izao fotoana izao. Andrasana araka izany ny mety ho voka-pikarohana.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre