Antsirabe – Zaza 4 mianadahy maty nilatsaham-potaka
Tao anatin’ny indray mipimaso monja dia zaza efatra mianadahy kely no maty, raha nilatsaham-potaka tany Mahalavolona, fokontany Androvakely, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antsirabe, ny alakamisy 3 desambra, tamin’ny 7ora sy sasany hariva. Nirefotra ny varatra ary niaraka tamin’izay koa ny loza nihatra tamin’ny fianakaviana iray. Hontsa ny fiaraha-monina satria trangan-javatra tsy mbola nisy mihitsy ny tahaka izao.
Nikija ny orana, narahina tselatra sy kotroka tamin’io fotoana io. Nandritra izany no nirefotra mafy ny varatra ka avy dia nilatsaka tamin’ny trano fonenan’ity fianakaviana iray. Saika efa teo am-pandriana avokoa izy ireo tamin’io fotoana io. Araka ny loharanom-baovao dia niditra avy amin’ny zoron-trano avaratra ny varatra ary nitety ny efitra rehetra ka maty tamin’izany izy efatra izay vao 13 taona ny zokiny indrindra raha 7 taona kosa ny zandriny. Niheren-doza kosa ny renin’izy ireo sy ny zazakely iray. Fahoriana tsy roa aman-tany no nihatra tamin’ity ankohonana ity.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







