Ezaka kopia ho an’ny ankizy – Zaza miisa 53 nokarakarain’ny Ong Hardi teny Manarintsoa
Betsaka ireo ankizy no tsy tafiditra any an-tsekoly nefa manana fari-pahalalana tsara eny amin’ny faritra Manarintsoa Ampovoany iny, noho ny tsy fananana kopia. Ho fanantanterahana ny zon’izy ireo dia nisy ny « Ezaka kopia ho an’ny ankizy » na Eka nataon’ny Ong Hardi, omaly teny Manarintsoa Ampovoany, izay nanomezana kopia zaza miisa 53, izay ao anatin’ny fandaharan’asa « Fampianarana ireo ankizy sahirana ». Mahatratra valopolo ny kopian’ny zaza nokarakaraina ka ny 23 tamin’ireo dia misy olana noho ny tsy fananan’ny ray aman-drenin’izy ireo kopia na kara-paranondro. Manoloana izany indrindra no nanamafisan’ny Ong Hardi ny asa ho fanampiana ny fianakaviana amin’ny fikarakarana izany satria raha ny lalàna velona eto Madagasikara dia 12 andro aorian’ny nahaterahan’ny zaza iray no tsy maintsy atao ny fanambarana azy eny amin’ny kaominina nefa betsaka ireo ray aman-dreny no tsy mahavita izany noho ny dingana maro izay tsy maintsy arahina. « Zaza 200 isan-taona manodidina ny faritra Manarintsoa, izay tsy manana kopia avokoa no raisin’ny Ong Hardi avy amin’ny fianakaviana sahirana. Manampy ireo ray aman-dreny amin’ny famitana izany ny fikambanana manoloana ny dingana maro be izay tsy maintsy arahina sy ny mety faharetana amin’ny fanaovana izany satria maharitra enim-bolana izany. Ankoatra ny famerenana ny fari-pahaizan’ireo ankizy dia miandraikitra ny fampidirina azy ireo hianatra sy mitan-tsoroka ireo tanora izay tsy tafiditra amin’ny fiofanana arak’asa ny fikambanana », hoy i Razafimanantsoa Arthur, miandraikitra ny fandaharan’asa « Fampianarana ireo ankizy sahirana ».
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







