Kaomisaria Avaradrano – Notokanana ny trano vaovaon’ny polisy
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, ny zoma 4 desambra lasa teo, ny trano vaovaon’ny kaomisaria Avaradrano, eny Sabotsy Namehana. Tonga nanotrona izany lanonana izany ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny inspektora jeneralin’ny polisy, Randimbisoa Blaise Richard, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa akaiky aminy ary ireo olom-boafidy teny an-toerana. Trano lehibe izay ahitana ireo birao fiasana samihafa sy ny trano fonenan’ny kaomisera sy ny lefiny. Nitodika tamin’ireo polisy miasa eny an-toerana ny minisitra nandritra ny kabary nataony mba hiasan’izy ireo am-pahamendrehana, hanaraka ny fitsipi-pifehezana sy ny fitsipi-pitondrana takian’ny asan’ny polisim-pirenena. Nanao antso avo ihany koa izy tamin’ireo mpitondra fanjakana tonga teny an-toerana ny amin’ny hananganana kaomisarian’ny polisy any amin’ireo distrika mbola tsy misy izany izay miisa 29 ka ny any amin’ny faritany Toliara sy Fianarantsoa no tena maro amin’izany satria ny tanjona lehibe dia ny fampandrosoana ny firenena ka antoka ho amin’izany ny fisian’ny fandriampahalemana.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







