Tambajotra Lampogno – Mitaky ny hamerenana ny fadin-tseranana any Maroantsetra
Ny fadin-tseranana any Maroantsetra no tranainy indrindra eto Madagasikara. Tamin’ny faramparan’ny taona 2010 anefa dia nakatona tamin’ny fomba tsy mazava ity sampan-draharaha fadin-tseranana any an-toerana ity ary navadika ho kaompanian’ny zandarimaria tamin’ny taona 2013. Efa nisy ny fanangonana sonia natao ny taona 2013, fangatahana ny famerenana izany fa nandamoaka.
Manoloana izay indrindra dia nanantanteraka valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety ny tambajotra Lampogno, omaly teny amin’ny Cemdlac Analakely, mitaky ny hamerenana io fadin-tseranana io. Tsy vao sambany fa efa matetika no nangataka izany io sampan-draharahan’ny fadin-tseranana io ny vahoakan’i Maroantsetra ary efa nisy mihitsy ny fanaovana izany mivantana tamin’ny fivoriambe izay notarihin’ity tambajotra ity ny faran’ny volana novambra lasa teo fa tsy nisy akony izany.
Hatramin’ny nanakatonana io fadin-tseranana io dia mihazakazaka ny fahapotehin’ny tontolo iainana any an-toerana satria nanao izay daniny kibony ireo mpanondrana ny harena voajanahary ka tsy voafehy intsony ny fivezivezina entana, ny olona ary ny sambo miditra sy mivoaka any amin’ny faritra MaMaBaie (Masoala, Makira, Baie d’Antongil) any Masoala. « Lasa mirongatra ny fitrandrahana ny hazo sarobidy arahan’ny fihazana ny varika ka tsy tandindonin-doza fotsiny ireo harena voajanahary ireo amin’izao fotoana izao fa iharan-doza mihitsy. Raha isan’ny toerana faha-telo amin’ny fanondranana vary Maroantsetra teo aloha dia lasa anisan’ny faritra lafo vary satria efa tafakatra 700 ariary ny iray kapoaka », hoy i Clovis Razafimalala, mpandrindra ny tambajotra Lampogno.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







