Fanahin-jiolahy !
Mitebiteby fatratra ireo ray aman-drenin’ny mpianatra malagasy any Chine, izay tokony hiantohan’ny fanjakana ny vatsim-pianarany. 40 volana be izao izany raha ny vaovao azo no tsy voaloa io vola io, izany hoe 3 taona sy efa-bolana. Tao anatin’izay fotoana izay izany, tsy mba nisy na dia kely aza ny hetsika nataon’ny mpitondra eto amintsika fa navela hihahaka fotsiny any an-tanin’olona any ny zanaka Malagasy. Mety diso tokoa angamba izany fomba ilazana azy izany satria nisy tokoa ny hetsika nataon’ny ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika dia ny nanome taratasim-bola tsy misy antoka ny firenena sinoa. Tsy dia ilay taratasim-bola mahazatra antsika antsoina hoe “chèque” akory no tiana lazaina eto fa irony fampiasa amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana irony saingy nentina ilazana azy fotsiny io mba ahafahan’ny maro mahazo ny tian-kambara. Nalefan’ny masoivoho sinoa tany amin’ireo oniversite misy ireo mpianatra Malagasy ity taratasy antoka ity ka nony injay natao ny fisintonana ny vola dia indro nibaribary teo ny marina.
Noho izany dia tsy te-hahalala intsony ny fanjakana sinoa fa dia najanona ny fianaran’ny ankizy ary nisy mihitsy aza ireo noroahina tsy hipetraka amin’ireny oniversite ireny intsony ny mpianatra. Raha izay no zohina izany dia efa misy tanora Malagasy mivenjivenjy izany any Chine any, na ilay antsointsika eto Madagasikara eto hoe: 4’mis!
Amin’ny fotoana manakaiky fety toy izao tonga no tena hahatsiarovana ny fianakaviana ary inoana marimarina fa dia tena ontsa tokoa ny fon’ireo ray aman-dreny manan-janaka lavitra, indrindra moa araka izany fa tsy hita ho lazaina hoe mianatra na tsy mianatra ny solofo sy dimby. Ny tena loza tokoa mantsy dia sady fongana tanteraka ny eo am-pelatanana namonjena ny sakafo sy ny kojakoja maro ilain’ny mpianatra, kanefa ny ankizy dia tonga amin’ny fitenenana hoe: tsy an-tany, tsy am-parafara! Dia tena marina tokoa izany raha toa ka mihaino fotsiny ny fitarainan’ireo ray aman-dreny mampiana-janaka eto an-toerana. Tsy maintsy vidiana mantsy na kahie, na boky, na ny fitaovana maro isan-karazany, eny fa na dia ireo heverina ho toy ny haingitraingitra aza. Tsy adino ihany koa ny zava-dehibe voalohany satria dia miantoka ny ho avy iray manontolo izany : ny saram-pianarana. Mazava ho azy fa tsy tokony ho tara ihany koa ny fandoavana azy fa raha vao migadona ny volana hitsahina dia tsy maintsy manantona ny tompon’andraikitry ny sekoly manefa ny vola. Azo lazaina fa ny 80 ka hatramin’ny 90%-n’ny mpianatra dia efa nandalo ny fahasahiranana kely ka voatery nijanona roa na telo andro any an-trano aloha mandra-pahita ny vola andoavana ilay saram-pianarana. Ary dia mazava ihany koa izany fa varotra toy ny varotra rehetra ny mianatra. Eto amintsika aza moa toy izany ka maika fa ny any ampitan-dranomasina any! Ary dia izay mihitsy no antony hitadiavana fianarana any ivelany satria mieritreritra ireo ray aman-dreny fa mba mety ho tsaratsara kokoa ny ho avy raha toa diplaoma avy any andafy. Tsaratsara manaraka an’izay ihany koa ny ho enti-manana rehetra ary tsy maintsy mivonona avy hatrany. Dia izay no nahatonga ireto ray aman-dreny nilaza fa fongana tanteraka izay teo am-pelatanana satria namidy hatramin’ny tanimbary sy ny tranon-drazana. Dia izany koa angamba no nahatonga ny sasantsasany ao amin’ny fianakaviana naniraka olona hamaky ny fasan-drazana ka hanala ireo taolombalo tao. Moramora amin’izay mantsy ny hivarotra io tany io, izany hoe ny tena fari-pananana farany indrindra izany.
Mety ho lasa lavitra tokoa izany vinavina izany kanefa raha izao fitombon’ny fahantrana lalina misy eto amintsika izao dia mety tsy hanana fasana hilevenana tokoa ny Malagasy atsy ho atsy. Ary raha izany no mitranga dia ho very faty any ampita any izany ny menaky ny aina kanefa dia fiainana tsaratsara no eritreretina ho azy. Inona anefa no nahatonga izany fa tsy ny tsy fandraisan’andraikitra nataon’ny fanjakana ihany, izay manao vain-drahalahy tsy marary na ihany koa mampahory ny vahoaka entiny. Dia tena manao fanahin-jiolahy tokoa raha toa anatin’ny 40 volana dia tsy misy mihitsy vahaolana mba hita.
Jean Luc RAHAGA
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







