Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Antsohihy – Lasan’ny dahalo efa-dahy ny omby miisa 14

Mahazo vahana tanteraka ny halatra omby any amin’ny distrikan’Antsohihy amin’izao fotoana izao. Dahalo miisa 4 misaron-tava, mirongo basim-borona iray no tonga nandroba tao Anjiabe, fokontany Antanimena, kaominina Ambodimandresy, ny 3 desambra lasa teo, tamin’ny 10 ora alina. Nirefodrefotra ny poa-basy tamin’ny fandalovan’ireo malaso ary vao nipoaka indray mandeha izany dia samy namitsaka tsy nisy sahy nivoaka ny tranony ny iray tanàna. Nandritra izany no nanararaotin’ireo olon-dratsy nandroba omby miisa 14 tao amin’ny vala sy vola vidin’omby miisa 2 vao avy namidy ary « radio carte » iray tamina tokantrano iray.

Ahiana ho olona mahafantatra ireo lasibatra ihany ireo mpangalatra ireo satria nahalala tsara fa avy nivarotra omby. « Aiza ny vola vidin’omby ? Omeo aty daholo ny vola fa raha tsy izany dia ho vonoinay ianareo », hoy ireo olon-dratsy tamin’ireo voatafika. Nandeha nianatsimo ny dian’izy ireo rehefa azony izany. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na naratra.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre