Faran’ny herinandro – Tovolahy iray maty nazeran’ny môtô, 20 hafa naratra mafy
Nitrangana lozam-pifamoivoizana kodiaran-droa mahery vaika teny amin’ny làlana Marais Masay, ny alin’ny zoma, tamin’ny 8 ora tany ho any. Tovolahy iray 25 taona nitondra môtô no namoy ny ainy rehefa nidona tamin’ny vodina kamiao. Avy nanatitra ny namany ary hamonjy fodiana izy no niseho ny loza. Ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Tsy nahatana familiana intsony ilay tovolahy ka nifatratra avy hatrany tamin’ilay kamiao teo alohany. Fantatra hatrany fa tsy nanao aro loha izy tamin’io fotoana io.
Olona miisa 20 kosa no naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana hatrany, tamin’ny zoma sy ny sabotsy lasa teo. Ny voalohany niseho tamin’iny lalam-pirenena Rn4 iny, ny zoma maraina, tamin’ny 4ora raha nivadika tampoka ny fiara marika Mercedes Sprinter, mampitohy ny renivohitra amin’ Ambanja. Fahavakisan’ny kodiarana aoriana ankavanana teo amin’ny fiolanana no nahatonga ny loza ka tsy tafajanona raha tsy tamin’ny 8 metatra tany ho any. Mpandeha sivy no naratra vokatra izany ka ny roa tena voa mafy.
Olona 11 kosa no naratra mafy, tamin’ilay lozam-pifamoivoizana niseho, ny sabotsy, tamin’ny 5ora sy sasany maraina. Taksibe iray nitondra mpivavaka no nivadika tampoka rehefa tonga teny Ankaraobato Ifarihy. Ny làlana malama no fantatra fa nahatonga ny loza, araka ny loharanom-baovao. Tafakatra tamin’ny sisin-dalana ilay fiara ary nironjona tampoka izany ka nivadika tany anaty tanàna. Efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly avokoa ireo naratra.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







