Famonoan-tena – Lehilahy adala nilatsaka tanaty lavadrano
Lehilahy iray 29 taona, izay tsy salama saina, no maty rehefa namono tena, tany Ampefy, distrikan’i Soavinandriana, ny 3 desambra lasa teo. Tsy fantatra izay nahazo azy fa avy hatrany dia nitsoraka tao anaty lavadrano io lehilahy io. Taitra sy nisamaritaka ireo fokonolona vao nahita izany fihetsik’ity izy. Teo ireo niezaka namonjy azy ary teo ihany koa ireo nampandre avy hatrany ny fianakaviana ny zava-misy. Nidina tao anaty lavadrano noho izany ireo vatan-dehilahy saingy efa tara loatra ka tsy avotra intsony ny ainy. Nidina teny an-toerana koa ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny mpitsabo nijery ny razana, dia nahitana mangana teny amin’ny lohany izay nitarika ny fahafatesany. Ny lohany no nandeha aloha ary nidona tany amin’ny vodin-tany izany. Naha-hontsa ireo manodidina ny fomba nahafatesan’io adala io satria na dia tsy salama saina aza izy, tsy mba nanakorontana fa nahay niara-monina amin’ny olona tsara. Mbola tsy fantatra kosa hatramin’izao ny antony nanafohezany ny ainy tahaka izao. Natolotra ny fianakaviany ny razana taorin’ny fizahana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







