Vous êtes ici :

Lundi 22 Décembre 2025

ombre

Iny làlana iny !

“Amboary ny lalan’ny Tompo”, hoy ny vakiteny sy ny toritenin’ny Mompera omaly alahady ary dia marina tokoa izany satria anatin’ny fotoanan’ny fihaviana na “avent” isika izao, fotoana izay hiomanana sy hiandrasana ny fahaterahan’i Jesoa zazakely. Ho an’ny mpino kristianina katolika io, kanefa dia teny mampahatsiahy tokoa ny làlana eto an-drenivohitra sy eto Madagasikara iray manontolo mihitsy. “Iny làlana iny”, hoy ny vazivazivy nataon’ny filoha ankehitriny; dia “efa ataonay izany” raha nikabary izy indray taona izay. Sady tapa-tsinay moa izy tamin’izay fotoana izay no toran’ny hehy ireo mpiara-dia aminy. Nanjary “baikom-pitolomana” tokoa mantsy izany teny izany tamin’ny taona 2009 raha nanongana ny jadon-dRavalomanana ny vahoaka malagasy ary teny filamatra tato afara nandritra ny tetezamita. Nony injay tonga tamin’ny toeran’ny filoham-pirenena ingahy Rajaonarimampianina, izay mbola tsara tsiahivina fa natosiky ny revolision’ny vonim-boasary notarihan’ny filohan’ny tetezamita, dia nataon’iry voalohany teny fanabirabiana ny tolona sy ny mpomba an’ingahy Rajoelina izany teny izany. Kanefa tokoa ange raha jerena indray mitopy maso dia inona tokoa moa izany lalàna efa natao izany, roa taona aty aorian’ny nandraisany ny firenena ?

Tsy misy lalam-pirenena na dia iray aza tsy mampimenomenona ny vahoaka, na mianavaratra, na mianatsimo, na miankandrefana na ihany koa miantsinanana. Raha miala eto an-drenivohitra ka ho any Anjozorobe – lalam-pirenena fahatelo -, ohatra, izay làlana mirefy 90 km monja dia efa ho adiny dimy vao tonga any. Vao eo Analamahitsy ka hatreo Ambohitrarahaba dia tsy maintsy manao “zigzag”, hoy ny fitenenana, miala ireo lavaka be mila handifitra fiara mihitsy. Mandrapahatonga any Talata-Volonondry dia ilaina ny fahamalinana tanteraka satria amin’ny fotoana tsy ampoizin’ny mpamily, indro ny lavaka ka raha miraparapa dia tapaka ny “rotule”-n’ny fiara na koa vaky ny kodiarana. Raha toa amin’izay fotoana izay tsy mivadika ny fiara izay mety hamoizana ny ain’ny mpandeha, dia farafaharatsiny manao “haody” eny amin’ny hopitaly, ary dia eny indray no mandany ny tahiry rehetra na ihany koa mivarotra ny tanindrazana sy ny tranon-drazana, raha mbola misy izany. Manomboka eto Talata indray dia mila mandady amin’izay ny fiara satria mazava ho azy fa potika tanteraka ny làlana.

Fa ohatra iray iny dia azonao eritreretina izany ny lalana mankany Mahajanga – lalam-pirenena faha-efatra – izay tsy nisy fotoana tsy nahenoana ny hadalana mahafaty olona ataon’ireo karazana fiara fitaterana “sprinter” ireny. “Be asa lava aty aminay”, hoy ny sangisangin’ireo mpitsabo miasa amin’ny renivohitry ny distrika lalovan’iny lalam-pirenena iny, ny hopitalibe ao Androva any Mahajanga izany, ny any amin’ny hopitaly ao Maevatanàna sy ny ao Ankazobe. Ny làlana mianantsimo indray ny “dahalo” sy ny “mpanapaka lalana” no tena manjaka. Izany hoe ny tsy fandriampahalemana no tena malaza ary tsy fanao intsony ny mandeha irery izany raha mianatsimo, eny fa na dia eo Antsirabe ihany aza. “Mamango” ary tena manao izay danin’ny kibony mihitsy ny mpandroba na dia amin’ny andro mazava izao aza, hany ka voatery mifampiandriandry aloha ny rehetra vao mivoaka ny renivohitra.

Fa miresaka an’Antananarivo ihany isika dia manjaka ihany koa ny mpanendaka sy ny mpanao sinto-mahery. “Eto vao maika loza”, hoy ny mponina satria tsy mifidy asiana mihitsy ireo olon-dratsy. Raha metimety ny hazany dia mahazo tsindron’antsy maromaro – farafahakeliny- ny voaendaka ary raha tsy manaraka ny ain-dehibe dia mikararana ny vola be any amin’ny hopitaly. Kelikely moa no azony dia mazava ho azy fa tezitra ireo olon-dratsy dia tsindron’antsy maromaro ihany koa no manaraka ilay fanendahana. Ka inona moa izany fa ny hany ala olana dia ny … “aza mifanena aminy ihany”! Etsy andaniny, hita miezaka ihany ny polisy fa tonga amin’ny fitenin’ny ankizy amin’izao fotoana izao hoe “tsy afaka e”! Ny elakelan-trano aloha – làlana ihany koa io -, dia tsy dia tsara loatra ny mampiasa azy amin’ny fotoana rehetra, na maraim-be, na atoandro amin’ny fotoana tsy be olona mivezivezy, indrindra amin’ny hariva maizim-bava vilany sy ny alina ihany koa. Kanefa moa atao ahoana no tsy ampiasana izany lalana izany satria tsy maintsy hody any an-trano, tsy maintsy hivoaka hitady vola na hiasa, tsy maintsy mandeha mianatra, tsy maintsy mantsaka, tsy maintsy miantsena, na koa tsy maintsy manao ny adidy sy ny andraikitra maro isan-karazany. Fa raha ny arabe eto an-drenivohitra indray no resahina vetivety dia efa io hita maso io izy: tsy misy na dia arabe iray aza tsy ahitanao lavakadavaka. Amin’izay ireto izy dia mihalehibe isan’andro no sady mihalalina ihany koa. Amin’izao vaninandro mialoha ny fety izao dia fitohanana mahatsiravina no hita n’aiza n’aiza: na hiditra na hivoaka ny renivohitra na ihany koa aty ampovoan-tanàna. Hatreto aloha mbola tsy nahita vahaolana ilay “ramatoa maika hiasa iny” no azo heverina ihany fa tsy hitondra na inona na inona amin’ny fanamboarana tokony hatao, izay tena andraikiny tokoa anie izany. Ny tena marina aza dia toa ekipa “dororororo” be no hananany ka tsy antenaina hanao inona akory. Ary “vao maika loza” ihany koa aza ny ataony satria dia nomena fahalalahana izao ireo mpivarotra rehetra hanao izay tiany atao. Dia mazava fa ho feno mpivarotra indray ny arabe, raha toa efa feno azy ireo ny “trottoir”! Dia inona izany fa tsy mijaly fadiranovana ny mponina satria tsy afaka mivezivezy intsony no sady anateran’ny olona fako ny tananany. Mazava ihany koa fa hilona ela anaty rano ny mponina satria vao mainka tsentsina ihany ny lakandrano rehetra.

Dia toy izany koa ny mahazo ny lalam-pirenena miatsinanana izay sady tery no be fiolanana, no ihany koa miaka-midina tsisy farany. Etsy andanin’izany dia faritra mando lava iny ka mora simba ihany koa ny làlana.

Dia izay raha atao bango tokana ny zava-misy. Tsapa avy hatrany fa tsy hita izay fandraisan’andraikitra ataon’ny mpitondra ankehitriny.Ny hany lalana vitan-dry zareo tsara angamba dia ny lalana mankany ampita, izay natao lala-masaka mihitsy aza. Ny mpanadroadro aza moa milaza fa zary lasa mpitsidika mavitrika eto Madagasikara ny filoham-pirenena. Toa marina tokoa ange izany e!

Jean Luc RAHAGA

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre