Sprinter nivadika – Olona roa naratra mafy
Nisehoana lozam-pifamoivoizana tany Sambava, ny alin’ny alahady 6 desambra, tamin’ny 7 ora. Taksiborosy marika Mercedes Sprinter avy any Antalaha nihazo an’i Sambava no niharan-doza rehefa tonga tao Andranoalanana, izay 3 kilometatra tsy hiditra izany tananan’i Sambava izany. Vaky kodiarana eo aloha no nahatonga ny loza.
Nirimorimo mafy ilay fiara ary nivadika ambony ambany in-telo raha vao vaky ny kodiarana, araka ny loharanom-baovao. Ary mbola tsy nijanona fa nikorisa tany amin’ny 3 metatra tany vao tafajanona. Tsy nisy kosa ny ainy nafoy fa naratra avokoa ireo mpandeha rehetra tao anatiny fa ny roa no tena voa mafy. Efa manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly Besopaka avokoa ireo naratra. Potika tanteraka tsy nisy noraisina ihany koa ilay fiara.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







