Tsaratanana – Lahy antitra maty voatifitry ny jiolahy
Lehilahy lehibe 61 taona, no maty notifirin’ireo jiolahy, raha iny naka rivotra teo amin’ny lavarangana, tany Ambodimanga, distrikan’i Tsaratanana, ny alin’ny zoma lasa teo. Efa fahazarany no maka rivotra tahaka izao alohan’ny hatory. Tonga avy any lehilahy miisa 8 nirongo fitaovam-piadiana, izay tsy nampoizina mihitsy. Tsy fantatra kosa na nikasa hanafika azy na tokantrano mpifanila-bodirindrina aminy fa vantany vao nahita azy ireo olon-dratsy dia norarafin’izy ireo tifitra ity lehilahy lehibe ary nandositra izy ireo avy eo. Ireo fokonolona ihany koa tsy nanam-po na inona na inona fa efa feo basy nirefotra no nanaitra azy ireo.
Raikitra avy eo ny fanenjehena ireo jiolahy saingy very lalana ireo mpanara-dia ka tsy hita intsony izay nalehan’ireto olon-dratsy. Nisy kosa ireo nampandre ny mpitandro filaminana ka nidina tao an-toerana ireto farany nanao ny fizahana ary tamin’izany no nahitana diam-bala roa teny amin’ny vatan’ilay rangahy izay nitarika ny fahafatesany . Misokatra ny fanadihadiana.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







