Fianarantsoa – Voasambotry ny Fip i Ragolo mpangalatra môtô
Rehefa nokarohana nandritra ny fotoana ela dia tratran’ny Fip any Fianarantsoa ihany i Ragolo, izay malaza ratsy amin’ny halatra kodiaran-droa. Ny sabotsy lasa teo, tamin’ny 10 ora alina, no saron’ny mpitandro filaminana tao Mahazengy izy io raha toa ka tafaporitsaka ny namany iray. Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fisamborana an’ity lehilahy ity izay naharitra ora roa satria nikasa handositra koa. Sarona teny aminy, tamin’io fotoana io, ny basy vita gasy iray. Nandritra ny famotorana azy no nahafantarana ny toerana nasiany ny môtô nangalarina ary efa tafaverina amin’ny tranombarotra izay nangalarany azy.
Fantatra fa miha mahazo vahana ny tsy fandriampahalemana any Fianarantsoa amin’izao ankatoky ny fety roa sosona izao. Manoloana izany indrindra dia mangataka ny hery velona rehetra any an-toerana ny hery vonjy taitra (Fip) eo anivon’ny polisim-pirenena mba hifanome tanana sy loharanom-baovao matotra mba hampilamina ny ambanilanitra. Mitohy ny fikarohana ny naman’i Ragolo.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







