Ambodimita – Rangahy 60 taona nodarohan’ny jiolahy
Mbola miady amin’ny fahafatesana ity rangahy 60 taona ity raha ny vaovao voaray. Ny alin’ny alatsinainy teo no notafihan’ny efa dahy ny trano fonenany ka nandritra izany no namparatra azy. Novelesin’ireo jiolahy tamin’ny vy mantsy ny lohany. Tovolahy 18 taona ihany koa no voadaroka saingy tsy dia tena voa mafy. Miaraka mipetraka amin’ilay rangahy lehibe mantsy ity farany koa nafatotr’ireo jiolahy rehefa avy novelesin’izy ireo. “Notsofain’ireo jiolahy ny karakara vy miaro ny varavarana fidirana. Fotoana fohy dia tafiditra tao an-trano izy ireo. Vola be no lasan’izy ireo tao sady vola vahiny euros niampy entana maro samihafa toy ny ordinatera sy firavaka”, hoy ny loharanom-baovao. Mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly ilay naratra, efa nisy ihany koa ny fitoriana napetraka.
Njara Fih
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







