Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Kopy ialahy!

Hery vaovao, rivo-baovao, …, santionany ihany ireo tamin’ny fampanantenany natao tamin’ialahy izany. Nandeha ny volana, nivadika ho taona, niandry ialahy   fa toa tsy mbola hita mangirana ihany ilay “Madagasikara maoderina sy mandroso”  izay nampanantenainy fa ny mifanohitra amin’izay aza no misy. Nianiana ny hiaro an’ialahy  sy ny tanin’ialahy   izy. Anisan’ireny ireo nosy dimy an’ialahy izay tsy iadiana hevitra amin-dry zareo atsy Mozambika.  “Efa nisy ny resaka nifanaovako tamin’ny filoha François Hollande ka tsy izay tenin’ambasadaoro no hanova izany”,  hoy fampandriana adrisa nataony rehefa hitany fa mavaivay ny raharaha. Fotoana fohy taorian’izay anefa dia nandefa ny Minisitra George Pau Langevin tany amin’ireo nosy ireo ny frantsay. Raha tsy mahalala ialahy dia fomba ilazana fa azy ireo nosy dradradradraina ireo. Niandry izay mba ho valin-kafatra aminy ialahy nefa tsy nisy izany. Fotoana goavana nahafahany  nanambara ny maha an’ialahy  ireo nosy 5 atsy amin’ny lakandranon’i Mozambika ny COP 21 tany Paris fa tsy nasiany resaka e! Dia efa kôpy ialahy, fa tsy nisy akory ny resaka amin’ny famerenana ny nosy Malagasy nataony  tamin’i François Hollande izany. Dia tonga izany ny fotoana izao fa hisy ny hetsika ataon’ireo mpitaky ny famerenana ny nosy Malagasy etsy Ambohijatovo, amin’ny sabotsy ho avy izao.  Raha sanatria misy ny fanakanana avy amin’ny mpitandro filaminana d’efa kôpy ihany koa ialahy fa  resaka hafa no nataony tamin’i Francois Hollande. Dia mazava koa fa tsy hiaro izay tombontsoan’ny firenena izany izy fa nahita tsaratsara  avy amin’i lafrantsa.

Raha tsiahivina tokoa iny dia tany amin’ity firenena voalaza etsy ambony ity dia delegasiôna mafonja no nentiny  tany Paris hiatrika ny COP 21. Saika hihoatra ny zato mihitsy aza fa saingy tsy maintsy nahena noho ny fepetra napetraky ny tompon-trano amin’ny tsy maintsy hamerana ny isan’ireo delegasiôna mba ho fitandroana ny filaminana. Volabe no lanin’ialahy  amin’ireny. Vola miala any am-paosin’ialahy  na tsy tsapan’ialahy  aza : avy amin’ireo  haba sy ny hetra aloha mantsy ireny rehetra ireny na misy ihany aza sasantsasany fanampiana avy ivelany. Ity dia iray ity dia voatery notsongaina manokana ny filazana azy amin’ialahy far aha atambatra tokoa izay fivoahana any ivelany vitany izay dia be no milaza fa hay vahiny ilay olona nanao fianianana tamin’ialahy roa taona lasa izay. Ahoana tokoa hoy ny mpanadroadro: “mpitondra vahiny no mitantana ka tonga matetika izy mitsiditsidika an’ialahy”. Ary dia tena izay mihitsy tato ho ato ka rehefa tonga izy dia tsy nasiany sira akory ireo zanak’ialahy sy ireo ray aman-drenin’ialahy  matin’ny mosary any Atsimo. Tsy nandia tany ny tongony hatramin’izay volana maromaro izay. “Tranga efa mahazatra io”, hoy izy. Dia efa kôpy ialahy  fa tsy mbola misy vola holaniana amin’ny fitsidihana an’ireo maty mosary aloha  izao. Aleo ho an’ny PAM sy ny tariny no hiady amin’ny mosary izany. Tsy misy rahateo ny vola ho enti-manana ary mbola maro ny fandaniana tsy maintsy hataony. Efa akaiky rahateo ny fety no sady tsy maintsy hijery izay ho enti-manana amin’ny fampanekena ireo solombavambahoaka handany ny teti-bola 2016 ihany koa. Ny depiote koa ange mba manao fety e! Mila vola izany fa tsy vitavita mora. Kanefa dia lazainy foana fa mahantra ialahy, na koa tsy ampy ny vola. Dia lazaina koa fa tsy maintsy  handoa  vola bebe kokoa hatrany ialahy amin’ny haba sy ny hetra. Sazy no miandry an’ialahy raha vao mitaredretra amin’izany. Nefa anie, mba nomen-Janahary lova be ihany ialahy . Fa tsy  misitraka azy ireny. Aondrany sy ireo mpiara-mipetsapetsa aminy avokoa na volamena, na safira, na andramena. Mbola amidiny amin’ny vahiny koa ny tanin’ialahy. Volabe hatrany amin’ny 50 tapitrisa dolara no vidin’ireo bolabolana andramenan’ialahy  nalefany  antsokosoko tamin’ny taon-dasa tany Singapour. Tsy nisy tonga tany amin’ialahy  anefa na dia variraiventy aza.  Dia milaza izy fa hiady amin’ny kolikoly. Hanao laharam-pahamehana ny ady amin’ny fanondranana andramena antsokosoko.Dia milaza izy fa hikarakara an’ialahy, dia milaza koa izy fa hiaro ireo ray amandrenin’ialahy, dia manambara izy fa hiaro sy hitondra masoandro vaovao ho an’ny zanak’ialahy. Kanefa dia fantatr’ialahy koa fa vavolombelon’ny mpiasa ny bainga. Fampandriana adrisa anefa no betsaka ary ialahy nataony tohatra fiakarana. Kôpy ialahy izay !

FR

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre