Ambohimanambola – Nirehitra ny ivo-toeran’ny mpamatsy herinaratra
Nirehitra ny ivo-toeran’ny mpamatsy herinaratra an’ny orinasa Henri Fraise eny Ambohimanambola omaly tokony tamin’ny 4 ora latsaka fahefany tany ho any. Ny fipoahan’ny « transfo » iray tao an-toerana no niteraka izany. Mbola tsy fantatra kosa ny antony fipoahana fa « groupe » miisa 4 izay mamatsy ny herinaratra no indray may avy eo. Nampandre ny mpamonjy voina avy hatrany ny manodidina vao nahita ny setroka nijoalajoala nivoaka tao amin’ilay ivo-toerana ka tamin’ny 4 ora dia efa nigadona izy ireo nanatanteraka ny asany. Antsasak’adina taty aoriana dia voafehy tanteraka ny afo. Araka ny tatitra avy amin’ny mpitandro filaminana dia hofain’ny orinasa Jirama amin’ny orinasa Henri fraise ireto milina mpamatsy herinaratra ireto. Ho an’ny mpiasa kosa dia tsy nisy ny aina nafoy na naratra.
Ny fanontaniana mby ao an-tsain’ny maro dia ny mahakasika ny delestazy izay tsy mbola foana akory, kanefa raha misy izao loza izao dia hitombo avy hatrany ve arak’izany ny fahatapahan’ny herinaratra tonga any an-tokatrano? Raha izany tokoa dia hiverina hanjaka indray ny tsy fandriam-pahalemana satria hanararaotra ny haizina ireo olon-dratsy hanantanteraka ny asa ratsiny. Efa misokatra ny fanadihadiana amin’ny mety nahatonga ny loza.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







