Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Mpilatsaka an-tsitrapo – Nizara ny traikefany tamin’ny ankizy ny Jocv

Ny fampianarana momba ny fanasana tanana sy ny fiborosoana nify no notanterahin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo japoney mivondrona ao anatin’ny Jovc na  ny “service des volontaires Japonais pour la coopération à l’étrange”,  niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy, no nentina nanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny mpilatsaka an-tsitrapo izay natao omaly teny amin’ny Epp Nanisana. « Sasao ny tananao »,  izay fomba iray fanasana tanana amin’ny alalan’ny dihy no nentin’i Mizuno Yasuharu sy Niino Mina nizarana ny traikefa tamin’ireo mpianatra. Natao ny fanentanana mba hizàrana ireo ankizy hanasa tanana amin’ny savony ka hahafahan’izy ireo misoroka ny valan’aretina vokatry ny tanana maloto.

Tafiditra ao anatin’ny fampandrosoana maharitra ihany koa izao hetsika izao satria miainga avy amin’ny vondron’olona ifotony. Miisa 13 ireo “Jocv” manao asa an-tsitrapo eto Madagasikara amin’ity taona ity fa ireo olona roa voatanisa eo ambony ireo no misahana ny eto amin’ny Faritra Analamanga. Ho an’i Niino Mina, izay mpilatsaka an-tsitrapo sady mpampianatra teny Japoney eny Ankatso dia ny fifanakalozana kolotsaina sy ny fitiavana manampy olona no nahatonga azy nirotsaka tamin’io sehatra iray io.
Betsaka ireo fikambanana manana mpilatsaka an-tsitrapo eto Madagasikara ary samy manana tetik’asany saingy hatreto aloha dia tsy mbola marisika loatra ny malagasy ny amin’izany fanaovana asa fanasoavana ho an’ny mpiara-belona izany. « Antony iray mahatonga izany dia ny tsy fahampiana eo am-pelatanana. Tamin’ny taona 2013 dia 64 000 ireo mpilatsaka an-tsitrapo fa efa nitombo izany amin’izao fotoana izao », hoy i Maria Rasoanandrasana, tompon’andraikitra ny serasera ao amin’ny Coordination national du volontariat.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre