Vous êtes ici :

Samedi 13 Décembre 2025

ombre

Mazda sy kamiao nifandona – Olona roa namoy ny ainy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny ny alin’ny talata tokony tamin’ny 8 ora alina. Fiara mazda nitondra mpianatra avy nanao fianaran’asa tany Tsiroanimandidy miisa 7 ka hiakatra aty Antananarivo no nifandona tamin’ny fiara lehibe iray teo Ambatomirahavavy. Nifanatrika ireo fiara roa ireo ary nangalatra lalana ilay kamiao lehibe, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana, ka nifatratra avy hatrany tamin’ilay Mazda. Noho ny fifandonana mafy loatra, samy nipitika izy roa  ka teny amoron-drano no niafaran’ilay kamiao.

Vokany, olona roa no namoy ny ainy izay nipetraka teo aloha ka anisan’izany ny mpamily. Tonga teny an-toerana fotoana fohy taorian’ny nitrangan’ny loza ny mpitandro ny filaminana izay nifanome tanana tamin’ireo mponina manodidina nanala ireo namoy ny ainy. Ireo naratra kosa nentina nitsaboana teny amin’ny hopitaly Hjra. Potika tsy nisy noraisina kosa ilay fiara nitondra ireo mpianatra.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre