Analakely-Ambodifilao – Mpanendaka miisa 17 voasambotra
Manoloana ireo fitarainana marobe voarain’ny polisy eny amin’ny boriborintany voalohany, eo Analakely, mahakasika ny firongatry ny haro-paosy sy ny fanendahana amin’iny toerana iny sy ny manodidina azy, indrindra moa amin’ny andro hariva dia nanantanteraka hetsika manokana izy ireo ny alatsinainy 7 desambra nanomboka tamin’ny 7 ora hariva. Tratra nandritra izany ny lehilahy miisa 17 ka ny 7 tamin’izy ireo dia tsy ampy taona.
Araka ny tatitra avy amin’ny polisy dia nahatsikaritra roalahy nampiahiahy izy ireo nandritra ny hetsika ary raha vao nahatazana azy ireo ny olon-dratsy dia namoaka sabatra lavalela no sady nanao tari-dositra. Voatery nanapoaka basy ireo mpitandro filaminana ka raikitra ny fanenjehana. Teny amin’ny fiantsonana ny taksibe teny Ambodifilao no tratra ny iray, raha toa ka tafatsoaka ny namany iray hafa. Nitohy hatramin’ny 9 ora alina ny hetsika ka tamin’izay no nahatratrarana ireo 16 ambiny.
Tamin’ny famotorana natao azy ireo no nahalalana fa efa mpameri-keloka ny ankamaroan’izy ireo : ny dimy lahy tamin’ireo feno taona dia efa nigadra indroa, raha ny dimy lahy tamin’ny tsy ampy taona kosa no efa nisazy teny Anjanamasina.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







