Vous êtes ici :

Vendredi 03 Mai 2024

ombre

Rano e !

Nahafaty olona ny rotsak’orana afak’omaly hariva iny. Raha ny teto amin’ny gazety « Madagascar Matin » aloha nitatitra omaly dia omaly ihany ny tranga nahafatesana olona roa satria izay no vaovao voamarina tamin’ny fotoana nialoha ny nanontàna ny gazety. Ny maraina dia nitombo ny isan’ny maty ary tafakatra ho efatra izany, ary mety hitombo isa hatrany satria nisy ihany koa tamin’ny toerana hafa teto an-drenivohitra voalaza fa nahitana razana.

Ny tiana ho lazaina voalohany aloha dia ato amin’ity gazety ity no ahitana ny vaovao sy tranga farany. Raha nampitahana tokoa ohatra tamin’ireo gazety mpiseho isan’andro rehetra dia « Madagascar Matin » irery ihany no namoaka io vaovao io, izay tranga mahakasika mivantana ny fiainan’ny mponina eto an-drenivohitra. Raha izay tokoa no izy dia misy tokoa izany ny gazety hafa manao alasafay ny asany ka mameno pejy fotsiny. Tonga amin’ny hiran’ingahy dokotera Vonjy ao amin’ny tarika Red Metal hoe : « Casque fotsiny io e … », dia efa hainao izany ny tohiny. Ka aza miala amin’ity gazetinao ity izany raha mila vaovao ara-potoana, lazaina amin’ny teny frantsay hoe : « à temps réel » !

Ny tiana ambara ihany koa dia ny hamafin’ny fiantraikan’ny tsy fandraisan’andraikitra eo amin’ny mpitondra isan’ambaratongany rehetra. Satria tokoa mihatra aman’aina izany izy izao fa tsy vitany hoe rava fananana fotsiny ihany. Hazava ihany koa fa mbola tsy naka lesona tamin’ny lasa mihitsy ireto tompon’andraiki-panjakana ireto fa ilaozana mitazam-potsiny ny fahorian’ny vahoaka Malagasy no sady mihinana ny hatsembohany ihany koa. Rehefa mirotsaka tokoa ny orana dia vetivety dia dibo-drano ny tanàna sy ny arabe. Tsy misy fokontany tsy tratran’ny fahavoazana izany intsony raha ny eto Antananarivo renivohitra. Ny faritra avo dia mazava fa lasa ny nofon-tany ary vetivety dia mihanjahanja eo ny vodin-trano. Raiki-tahotra avy hatrany ny mponina, tsy ny amin’ny fahapotehan’ny fananana ihany, fa indrindra ny amin’ny ho avy satria dia efa tongotra iray mitondra azy hatory eny an-dalambe ny firotsahan’ny orana. Mangidy tokoa anie izany hoe rava fananana izany ary raha tsy hafoy aza ny ain-dehibe dia manao tongotra an-katoka manantona ra-fahantrana lalina. Ny mahazo ny foto-drafitr’asa hafa moa dia aoka fotsiny. Iny lalana mihazo ny 67ha iny ohatra dia efa afaka hanafenana elafanta ny lavaka misy amin’ny arabe, ka raha sendra variana amin’ny main’andro, na ihany koa … tafajabaka amin’ny andro avy orana dia tonga amin’ny fitenin-jatovo hoe: “taraiky” ao. Toy izay koa ny mahazo ny mponina eny Ambohipo sy iny faritra atsinanan’Antananarivo iny fa na ianao asosan’ny fotaka, na atelin’ny rano, na ihany koa ianjeran’ny vato, na tamboho, na tranon’olona. Tsy fanao intsony izany manomboka izao ny mikiry biby ny hamonjy toeram-ponenana rehefa avy ny orana.

Etsy andaniny, be ny manontany mahakasika ny tena andraikitry ny mpitondra ankehitriny. Ho an’ny maro aloha dia efa nalilo izay ny sofina mikasika ny filazana fa tokony ho diovin-dRamatoa ben’ny tanàna sy ny ekipany ny lakan-drano rehetra izay anjara andraikitry ny kaominina. Raha tamin’ity taom-pahavaratra ity dia tsy latsaky ny efa impolo no miverina izao tranga maha-dibo-drano ny tanàna izao ary efa hita araka izany ny tsy maintsy hanaovana io asa io. Nahagaga anefa fa tsy nety taitra mihitsy ireto olona nilaza fa « maika hiasa » ireto. Ny hany mba nataony dia mody nitondra fiara be iray izay nolazaina fa avy any amin-dry Rainiboto ilay kamio ka afaka mitroka sy manadio haingana ny lakandrano. Inona akory nefa ny teo? Tsy ampy folo minitra akory no mirotsaka ny orana dia difotry ny rano ny tanàna rehetra, indrindra moa ny faritra ambany rehetra iny. Nony tato afara indray dia mody nijerijery ny teny Soavimasoandro teny Ramatoa ben’ny tanàna dia nilaza indray fa tena angatahina amin’ny mponina ny hanadio ny tandrify azy! Loza izany. Dia izay tokoa ve no fomba entina hitantana ny raharaha e? Kivy ny rehetra ary tao anatin’izay fahakiviana izay indrindra no namely indray ny orana afak’omaly ary dia izao no vokany: mihatra aman’aina avy hatrany ka maty daholo na tovovavy kely, na tanora, na ihany koa ny olon-dehibe. Ra-fanjakana moa amin’io dia mody gisa sy mody fanina nefa ny tena marina dia … « ariary be ». Voatery mandray ny anjara mifanandrify aminy ny mponina sy manao izay saim-pantany. Nisy izao ohatra rafitra anaty fokontany iray, irony Rf2 irony, namaky lakandrano mba ahafahan’ny rano mivoaka. Asa anefa raha fantatr’ireto farany fa sady mandrora mitsilany izy amin’izany no mampidi-doza ny hafa ihany koa. Saingy rehefa tsy manao ny asany ny mpitondra dia tsy azo omen-tsiny ny vahoaka.

J.L.R

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre