Hafari Malagasy – Mpikambana 93 nozaraina mari-pahaizana
Efa miparitaka manerana ny faritra maro eto Madagasikara ny fikambanana Hafari Malagasy. Nanambara anefa ny filoha nanorina ny fikambanana, Jean Niriana Rafanomezantsoa, fa tsy izy no nanana ny hevitra hanaparitaka izany fa ireo mponina any amin’ireo faritra ireo no nangataka ny hananganana izany. Tsy nolavin’ny filohan’ny fikambanana ny fangatahan’izy ireo saingy kosa misy ny fepetra arahina mba tsy hivaona amin’ny tanjona napetraka izany. Rehefa tafatsangana ary ireo Hafari Malagasy any amin’ny faritra ireo dia nanomana fihaonana sy fiofanana ho azy ireo ny filoha mpitarika. Tonga teto an-drenivohitra avokoa ireo mpikambana ireo ary nanaraka izany ny alarobia lasa teo ary nozaraina ireo mari-pahaizana. Manodidina ny 93 isa eo ireo nahazo izany ary 19 taona ny zandriny indrindra izay mpikambana avy any Vatomandry. Nilaza ny vonona ampihatra ny fiofanana noraisiny tao amin’ny Hafari amin’ny famahana ny olana eny amin’ny fiaraha-monina moa ity farany raha nanontaniana.
N.F
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40








